Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana – Ambohidahy – 28 Novambra 2018 – Teny famaran’ny filoha Jean Eric Rakotoarisoa

Nosintomina tamin’ny horonan-tsary mivantana notanterahin’ny TVM

Ny andininy faha-116.5-n’ny lalam-panorenana dia milaza fa ny Fitsaràna Avo momba ny lalam-panorenana no manambara ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ny filohan’ny repoblika, solombavam-bahoaka ary fakàna hevitra amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Ity andrim-panjakana ity dia miandraikitra ny maha-ara-dalàna sy mamoaka ny valim-pifidianana.

Nanomboka tamin’ny Asabotsy 18 Novambra 2018 andro nahatongavan’ny antontan-taratasy voalohany teto dia niasa andro aman’alina ny mpiara-miasa rehetra tsy ankanavaka izay isaorako ampahibemaso eto mikasika ny fikirakiràna ny valim-pifidianana.

Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanatanteraka ny asa fanisàna sy ny fanaraha-maso napetraka aminy ny fitsarana. Nijery ihany koa ireo fitoriana voaray. Na tsy nisy aza ny fitoriana dia tsy maintsy nisy izay fanaraha-maso izay. Nisy ny fanitsiana ny diso, nisy ny fanarenana ny lesoka, nisy ny fitadiavana ny tena valim-pifidianana marina teo anivon’ny biraom-pifidianana, taorian’izany asa be izany, na dia fohy aza ny fotoana omen’ny lalàna namoahana izao valim-pifidianana ofisialy izao.

Vita iny ny dingana iray lehibe na dia nisy aza ny sakana sy ny famingaminganana maro samihafa. Ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana dia nanao ny asany araka ny rariny sy ny hitsiny. Ampahatsiahivina ny tsirairay fa tsy ny fitsaràna no mifidy ny kandidà ho lany fa ny vahoaka Malagasy izay mifidy rehetra izay hisolo toerana azy. Ny asan’ny fitsaràna dia ny hampanaja ny tena safidin’ny mpifidy. Raha resaka fifidianana dia tsy misy ny fahagagàna na ny “magie”.

Nampiseho fahamatorana tanteraka ny mpifidy nandritra iny fihodinana voalohany iny. Adidintsika mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana no mampiseho fahendrena sy fahamatorana toa ireo mpifidy. Mila misintona lesona mikasika ny fihodinana voalohany isika. Ohatra ny CENI sy ireo mifanandrina amin’ny fihodinana faharoa dia tokony miara … mametraka. Ny tombon-tsoan’ny mpifidy no ambony loha amin’izany ary an-kitsi-po no anaovana izany. Tokony misy fepetra koa hizaràna ny karatry ny mpifidy izay be loatra no tavela. Tohizana ihany koa na dia fohy aza ny fotoana ny fanabeazana ny olom-pirenena mikasika ny fifidianana. Sombitsombiny ihany ireo fa mila hatsaraina amin’ny ankapobeny ny fikarakaràna ny fifidianana.

Ho an’ireo kandidà roa hiatrika ny fifidianana fihodinana faharoa, mpifaninana ianareo fa tsy mpifahavalo. Samy Malagasy ianareo ary ny firenena iombonana. Ny iray aminareo no hitondra ny tany sy ny fanjakana manomboka amin’ny fianianana amin’ny volana Janoary, ho filoham-pirenenan’ny Malagasy tsy ankanavaka. Koa fadio izay mety hampiady, hampisaraka, mandratra, ny mifampiantsy fa mila ny firaisan-kinan’ny Malagasy rehetra izay hitondra eo. Taizao amin’izany ny mpomba anareo.

Misy zavatra iray tsara ho fantatrareo. Ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, ny tantara tena izy fa tsy ny tantara ofisialy dia mahafantatra fa ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny fanjakana Malagasy very sy novonoina ary nofafàna tamin’ny fanjanahan-tany. Adidintsika ankehitriny, indrindra izay manantena hitondra ny tany sy ny fanjakana no manatanteraka izany. Ka asakasak’izay hitsivalana amin’izany fa “Masina ny Tanindrazana”.

Mampitandrina dieny izao izay halaim-panahy mikotrika sy handrehitra adim-poko eto amin’ny firenena. Tsy azo leferina izany azy tsy maintsy mandray andraikitra amin’ny izany ny governemanta sy ny mpitandro ny filaminana.

Mazava ny valim-pifidianana. Tsy mila korontana ny Malagasy. Manantena antsika rehetra hiroso am-pilaminana any amin’ny fihodinana faharoa am-panajana ny soatoavina Malagasy. Ny mpifidy no tompon’ny teny farany.

Misaotra tompokovavy, mankatelina tompokolahy.