EDITO 29 Novambra – Voka-pifidianana ofisialy, tehamaina ho an’i Andry Rajoelina sy ny forongony

Ny marina marina ihany.

Nivoaka iny ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana na ny HCC. Didy tsy azo ivalozana izy io ary raha tena tia Tanindrazana marina dia tokony hanaiky io vokatra io na iza izy na iza.

Vita hatreo ny resaka 1er Tour dia vita. Lainga avokoa ny nambara  hatramin’izay sady nanehoana kisary milaza fa azo ny fandresena. Raha tsiahivina dia  39,23 % ny vato azon-dRajoelina ary 35,35% ny vato azon’ny kandida Marc Ravalomanana.

Mazava izany izao ny tena mpampiesona vahoaka ary asa raha mbola sahy hamahan-dalitra vahoaka ihany. Betsaka ihany koa ireo torakovitra ary efa tsinjo sahady ireo hitsoaka anatin’ny sambo rendrika satria tsy tratra ilay tanjona notratrarina. Maro amin’izy ireo no hitady lalana hivoahana sao tratra farany eo indray. Samy nigoka ny vola natao fafikatrana ny ankamaroany fa ny vahoaka kosa tsy tafifditra tao anatin’ny vela-pandriky ny volabe  na sanatria voavidy araka ny fitenenana.

Anatra ho an’ny mpanao politika iny voka-pifidianana fihodinana voalohany iny sady tehamaina ho an’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina sy ny forongony ihany koa. Amin’ny faha 19 ny volana Desambra indray no mifankahita raha mbola sahy.

Tsy azo tsinontsinoavina koa ireo kandida nanana isam-bato ambany ireo ary inoana fa manana ny lanjany sy ny heviny avokoa izy rehetra ireo, ka handray ny tandrify azy tsirairay avy. Ny azo antoka aloha hatreto dia nibaribary toy ny vay an-kandrina iny voka-pifidianana ofisialy iny ary ny vahoaka tokoa no tompon’ny teny farany fa tsy araka ny iheveran’ny sasany azy.