07:30 > Fako – Roland Ravatomanga, ministry ny rano, manao be marenina!

Mamerina ny antso avo i Marc Ravalomanana, mpanolotsainan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, satria tsy nisy valiny ny antso nataony omaly.

Atao raharaha politika ny tsy fanalàna ny fako eto Antananarivo, ary atao sorona ny mponina mba handotoana ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.

Misy ny kamiao mpitatitra ny fako tokony afaka miasa saingy mpampikarama ny fivoahan’izany ny ministry ny rano, Roland Ravatomanga, izay mba tao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ihany. Tsindry mbola avy ao ambony ve sa safidy?

Tsy hitazam-potsiny ny loto eto Antananarivo renivohitra ny ben'ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy fa handray ny andraikiny avy hatrany,na dia ny Minisiteran'ny rano amin'ny alalan'ny SAMVA ary no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fandraofana ny fako eto an-drenivohitra. Hanome vola mitentina 2 tapitrisa ariary isakin'ny boribory tany 6 eto an-drenivohitra ny kaomina hampandehanana ny asa fanadiovana ary hanome fitaovana ireo mpamafa lalana ihany koa.

Publiée par 24h Mada sur Lundi 26 novembre 2018