Rajoelina sy ny ekipany – Manao politikan’ny mpamandri-borona

Sôh’son

Manao ny adin’ny mpamandri-borona ankehitriny no ataon-dRajoelina sy ny ekipany.

Fanaon’ny mpamandri-borona ny mampiasa dity apetraka amina zavatra na amin’ny sampan-kazo na hafa fitaingin’ireny vorona samihafa toy ny fodilahimena ireny eny an-tsaha eny. Malemilemy ireny dity ireny ary mahasarika vorona. Raha vao mipetraka eo anefa ireo vorona dia tsy afa-miàla intsony fa voafandrika tanteraka. “Ny lemilemin-dradity no naha voafandrika an-dravorona”, hoy ny fitenenana. Avy eo ravorona mahita ny tsy fahitany izay mety hiafara amin’ny ainy.

Mampiasa io “paika ratsy” io ny ekipan’ny laharana 13 hisintonana vahoaka hanohana sy hifidy azy. Ataony ankehitriny eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy, eny fa talohan’ny fifidianana aza, ny fanolorana zavatra “mora” izay mikisary lemilemina dity. Fihetsika efa fanaon-dRajoelina io tany amin’ny taona 2009 tamin’ny fotoana nisarihany vahoaka sy namitahany azy ny amin’ny fampanantenana zavatra mora fanjifan’ny vahoaka andavanandro. Anisan’izany ny kilaom-bary ho Ar 500, ny vidin’ny litatry ny menaka ho Ar 2000; sakafo mora, trano mora, sns… Tsy nisy tanteraka anefa izany rehefa niaina tao anatin’ny tetezamita ny firenena. Vao mainka nihasarotra aza ny fiainam-bahoaka, ary niaraha-nahita sy niaina tsara izany mandrapahatapitry ny fitondràny.

Iza no olona hanadino izany? “Ny vorona no manadino fandrika, fa ny fandrika tsy manadino vorona”, hoy ny ohabolana Malagasy. Ny Malagasy inoana fa tsy toy ny “vorona” izany akory, sanatriavina, ka hanadino izay efa zavatra natao hamandrihana azy izao, ary efa nanjo azy, ka mbola hanatonana sy hiraisana ihany.

Iaraha-mahalala tsara ihany koa, indrindra ho an’ny mpahay, fa tsy izany fomba izany velively no hampandroso sy hampisandratra ny firenena. Lalan-diso izany, ary fanararaotana na fanarabiana mihitsy ilay fahantrana lalina iainan’ny vahoaka an-taonany maro izao. Manana ohatra azo tsapain-tanana mifanohitra amin’izany ry zareo sinoa ary tena nampandroso azy. Tsy zoviana amin’ny mpahalala ilay fiteniny amin’ny hoe: ny haranjono sy fintana no atolotra ny vahoaka fa tsy “trondro mora vidy akory”. Azo itarafana ho tsy fahafenoana fahamatorana amin’ny politikam-pitantanana raha hitondra firenena izany fihetsiky ny mpamandri-borona izany.