EDITO 24 Novambra – Jono an-dranomasina : ho fongana raha anjakan’ny mpanjono vahiny

Sôh’son

Firenena anisan’ny manan-karena maneran-tany amin’ny hazandrano anaty ranomasina i Madagasikara. Be velarana rahateo ny fari-dranomasina ananany noho izy Nosy ary antony iray lehibe io mahatonga azy manana tombony amin’izany sehatra izany. Mizara roa miavaka tsara ny mpanjono eo aminy dia ny madinika mampiasa ny fitaovana nentin-drazana, ny haranjono sy ny harato. Ny sokajy faharoa kosa dia ireo mpanjono vaventy mampiasa sambo lehibe sy fitaovana maoderina mbamin’ny fitaovam-pitehirizana ny trondro mandritra ny andro maro na am-bolana mihitsy. Raha azo lazaina ho “nilamina” ihany ny sehatry ny jono sy ny seha-pitrandrahana ny hazandrano hatramin’izay, dia ankehitriny tsapa ho tandindonin’ny olana lehibe. Tsy inona izany fa ny fampidirana an-tsehatra ireo mpanjono sinoa mitondra sambo hari-fitaovana sy tena matanjaka. Politikam-panjakana vao nampidirina vao tsy ela io fanomezana sehatra ny mpanjono vahiny toy ny sinoa io hahazo hitrandraka ato anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Tsy lavina, ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny, fa raha eo amin’ity sehatry ny jono ity, dia mampanahy lalina indrindra fa ny sinoa no resahina.

Fitenenana Malagasy ny hoe “Mandalo Ramaka ka may ny tanàna”, fa raha manjono ny sinoa ho tapitra ringana ny trondro. Nisedra izany olana lehibe izany efa an-taonany izao ireo firenena maromaro ao Afrika andrefana ao. Tafahoatra loatra ny fitrandrahana ny trondro any an-toerana ka mila ho fongana mihitsy ny trondro. Tafiditra ao anatin’ny mangorona ny hazandranomasina any izany ny mpanjono sinoa. Misy amin’izy ireo aza no tratra miditra an-tsokosoko manjono ao anaty fari-dranomasin’izy ireo. Ireo firenena aziatika roa lehibe, ny sinoa sy ny japoney, no tena miteraka olana sy manahirana raha eo amin’ny sehatry ny jono an-dranomasina. Nitady toko ka sendra vato ihany ny sinoa raha omena alalana amin’izany eto amintsika. Manjono tsy ara-dalàna amin’ny fari-dranomasina firenena hafa aza ataon’izy ireo mainka fa omena alalana. Hanome vahana azy ireo ve isika eto Madagasikara amin’ny fanakonana amin’ny hoe: fiaraha-miasa sy fanomezana asa ho an’ny Malagasy? Eny, mety hamaha olana ny tanora sy ny vahoaka ihany amin’ny ampahany izany satria iaraha-mahalala tsara ny tsy fahaizan’ny fitondrana namorona asa tao anatin’ny fotoanan’ny tetezamita sy ny fitondrana Hvm. Mety ahiana hiteraka olana lehibe ho an’ny Malagasy ihany anefa izany any aoriana, ary hosahirana ireo mpanjono madinika mivelona amin’io sehatra io.

Ny ahiahy tsy hihavanana ary ny hamisavisana ny ratsy mba hihavian’ny soa. Aleo misoroka toy izay mitsabo, fa nisy teto, tao anatin’ireo fitondrana roa nifanesy nambara ireo, dia efa miseho hatrany ny olana vao mikoropaka. Efa fahavoazana maro anefa no vokany ao anatin’izany.