10:30 > Carlton Anosy – IEM vs. MAP2 – Natahotra fandaharana mivantana ny mpomba an-dRajoelina

Hoy ny avy amin’ny #K25: Débat MAP II vs IEM ilay raha.

Nivonona mihitsy ny avy amin’ny IEM hanao ilay débat saingy asa izay niseho tamin’ny ora farany.

Maraina ny #K25 nanontany ny avy amin’ny mpikarakara hoe iza no solontena avy amin’ny IEM dia nanambara izy ireo fa Atoa Nirina Rakotomanantsoa. Tsapan’ny #K25 fa tena zava-dehibe ny fahafantaran’ny vahoaka ny programan’ireo kandida ka dia nangataka alalana ny #K25 ny handefasana izany en live amin’ny TV maro maro sy amin’ny FB.

Raha ny fantatra anefa dia tsy nanaiky ny hanaovana live ilay hetsika izy ireo. Nanaiky ny #K25 fa hanajanona ilay live raha izay no fangatahana. Ny débat no lehibe indrindra.

Hagagana ny an’ny #K25 rehefa naheno ny hariva fa tsy handray anjara indray ny avy amin’ny IEM. Ny ekipa hamelabelatra ny MAP notarihin’Atoa Serge Zafimahova efa vonona ka dia novàna ilay lahadinika ary tsy lasa débat intsony.

Gazety Feon’ny Malagasy