01:00 > Carlton Anosy 23-11-2018: MAP 2 vs IEM

(FB Gazety Feon’ny Malagasy) Tonga nandray anjara tamin’ny adihevitra nokarakarain’ny FES izay nokarakaraina tetsy Carlton Anosy ny solotenan’ny kandida Ravalomanana Marc. Tao anatin’ny famoahana ny andiany faha-14 ny programa YLTP no nikarakarana izao hetsika izao. Hetsika tokony nametrahana adihevitra fampitahana teo amin’ny MAP2 sy ny IEM saingy lasa famelabelaran-kevitra momba ny MAP2 satria nitsoaka an-daharana tamin’ny ora farany ny avy amin’ny MAPAR araka ny fanazavana avy amin’ny mpikarakara.

(FB Mandroso Randria) Tsongo-teny re avy tamin’i Serge Zafimahova sy Jimmy Ramiandrisoa nandritra ny fihaonana FES tao amin’ny Carlton:

«Aoka hazava aloha fa ny Filoha Ravalomanana dia nanana fanetre-tena nanaiky hoe matoa izy voahongana teo amin’ny fitondrana dia nisy zavatra tsy nety tao, ary izy amin’izao fotoana izao dia vonona hanitsy ny zavatra tsy nety. Tsy fantatro na firy na firy ny olona manana fanetre-tena manaiky hanitsy tahak’izany.»

«Izahay dia tsy niaraka taminy teo aloha fa vonona izahay hanohana azy rehefa nanaiky ka nanao sonia izy fa hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy, hametraka aro-fanina ny amin’izany. Efa miparitaka any rehetra any izany fanekena nataony izany, amin’ny teny malagasy, teny frantsay sy teny anglisy. Manana expériences be koa izy, nahita traikefa marobe tany ivelany tany nandritra ny naha-exilé azy.»

«Programa: Isika variana fotsiny mifampi-tsikera, fa raha ny tokony ho izy dia apetraho ny programa hampandrosoana an’i Madagasikara. Mora ny fitsikerana fa ny sarotra dia ny hametraka an’i Madagasikara rahampitso ao anatin’ny fandrosoana.»

«Ny trosa: Sarotra ny hamerenana ny trosa raha atondraka any amin’ny secteur non-productif daholo. Noho izany tsy misy afa-tsy ny famokarana (secteur productif), ny famoronana harena (création de richesses) ihany no ahafahantsika manilika ny trosa, mampandroso an’i Madagasikara, miady amin’ny fahantrana.»

«Ny olana amin’izao fotoana dia lasa mpangataka daholo isika rehetra, na ny fitondram-panjakana, na ny fiaraha-monim-pirenena na isika rehetra mihitsy: lasa manana toe-tsaina mpangataka daholo isika malagasy fa tsy mieritreritra hamokatra. Mila apetraka noho izany ny lalam-barotra vaovao, ahafahantsika mamokatra, mba hiady amin’ny fahantrana sy mba hampakatra ny sadam-bolantsika.»

«Trosa: Mila fahaizana mifampiraharaha amin’ny mpamatsy vola. Ny Président Ravalomanana dia fantatsika fa nahavita namafa trosa tamin’ny androny. Koh inona no tsy ahafahantsika manao négociation an’izany indray?»

«Ny Colonel Josoa, ancien RESEP sy ancien REGAP, mpiandry ny Filoha D.Ratsiraka, tratra babon’ireo Zanadambo tany akaikin’i Brickaville, victime 2002 izany, no mitarika ny comité de soutien an’ny kandida Ravalomanana izao.»

«Miaramila: Ny politique dia dynamique fa tsy statique. Ry Colonel Charles (2009) sy Coutiti (2002) dia efa miresaka amin’ny Président Ravalomanana avokoa. Misy koa ireo miaramila en exercice niaraka tamin’ny Gal Fidy, nandeha nitsoa-ponenana teo aloha, no efa miara-dia amin’ny Président Ravalomanana.
Koh aoka tsy isika indray no ndeha handrehitra afo amin’zany resaka “miaramila izao sy miaramila côtiers” izany satria efa lany andro izany resaka izany raha mikasika ny Filoha Ravalomanana sy ny fifandraisany amin’ny miaramila, IZAHO Serge Zafimahova no miteny anareo an’izany.