EDITO 22 Novambra – Kandidà Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy, nandray fanapahan-kevitra hentitra

Helisoa

Nandray fanapahankevitra  hentitra  ny kandida Marc Ravalomanana N°25 sy ny  mpiara-dia  aminy,  mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena,  rehefa  avy namoaka  ny vokapifidianana vonjimaika  ny avy  eo  anivon’ny  CENI  ny sabotsy lasa  teo.  Avy hatrany  dia  nisintona ny  fitoriana miisa  208 napetraka teny amin’ny HCC  ny talala  teo  ny  KMMR sy ireo mpahay lalàna  miaraka aminy.

Maro ny  antony  nanaovana izany, mba ho tombontsoam-pirenena  satria raha ny lojika dia mizotra  amin’ny fihodinana faharoa ny  fifidianana  filohampirenena  raha  ny  nambaranity  vaomeram-pirenena mahaleotena   misahana ny fifidianana na ny CENI ity, satria tsy nisy nahazo ny antsasamanilan’ny vaton’ny mpifidy ny kandida 36 nandray anjara tamin’ny fifidianana  filohampirenena ny 7 novambra teo, raha io vokatra vonjy maika io.

Raha ho an’ny  vahoaka Malagasy dia miroso amin’ny fihodinana faharoa ny mason’ny  rehetra, saingy mbola miandry kosa ny tena vokatra ofisialy havoakan’ny HCC ny rehetra aorian’izay.

Amin’izao fotoana manakaiky   ny famoahan’ny  HCC ny vokapifidianana ofisialy izao dia    maro ny savorovoro hita etsy sy eroa miseho eto amin’ny  firenena. Noho izany, tsy hanampy trotraka izany indray  ny kandida Marc Ravalomanana N°25,  fa avy hatrany dia nandray  fanapahankevitra NANATSOAKA ny fitoriana,  na maro be aza ny lesoka sy ny halabato nataon’ny kandida mpifaninana taminy,  tamin’ny alalan’ny fividianana ny safin’ny mpifidy  sns… Tsy ilaina intsony ny resabe sy korontana fa  efa mahantra loatra ny vahoaka Malagasy, ny fifidianana  marina tsy toy ny tamin’ny  fihodinana voalohany izao no kinendrin’ny rehetra.