EDITO 20 Novambra – Fifidianana – Vokatry ny hafa no iafenana tebahana noho ny tsy fahombiazan’ny kandidà tohanany

Sôh’son

Nivoaka iny ny voka-pifidianana izay vonjimaika ihany fa tsy tena izy avy amin’ny Ceni. Samy manana ny fandraisany azy avy ny rehetra manoloana ireo vokatra navoaka sy ny tsy fahatomombanana marobe samihafa nandritra ny fotoam-pifidianana. Manampy ireo ny taham-pahavitrihana ambany sy ny tahan’ny isan’ny vato fotsy ambony be. Tetsy ankilan’izay dia niaraha-nahita ny karazana sarimihetsika nataon’ny Mapar izay niàla tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana teny amin’ny Ceni sy ny nanaovany valan-dresaka be taorian’izany. Tsy bado akory ny maro ka azo ampiresahana amin’ireny satria tsy hisy hino fa madio tanana ao anatin’iny raharaham-pifidianana iny izy ireo. Ho an’ny mpandinika, rehefa tsy nety na diso kajy ny Mapar sy ny kandidà tohanany, ka nandeha tamin’ireny fizotran’ny vokatra vonjimaika ireny vao tsy maintsy natao ireny fihetsika samihafa ireny. Niaraha-nandre tsara, tamin’ny fotoana vao nikatona ny birao fandatsaham-bato ny andron’ny 07 Novambra iny ka niditra tamin’ny fanisam-bato ka nisy vokatra azony, ny fihikan-dry Lalatiana sy ry Soava ,“mpanao gazetiny” tao amin’ny “miara-manonjany”, ny amin’ny hoe fihodinana voalohany ihany dia vitan’ny kandidàny ny fifidianana. Moa tsy izy ireo no tena diso fanantenana indrindra amin’izao fotoana izao? Ary tao anatin’izany, nisy ny tahotra mafy ny hitsimbadihan’ny vokatra sy ny amin’ny hahazoan’ny kandidà Ravalomanana ny fandresena. Tsy afaka handà izany ireo, ary izay indrindra no nahatonga ny fanaovana kajikajy niankina tamin’ny fihetsika, madio na maloto, nataony tany ambadimbadika rehetra tany nanerana ny Nosy. Tsy maintsy natao izay fomba azony natao rehetra satria fanta-bahoaka fa tsy mandehandeha ho azy akory ny volabe natobaka tetsy sy teroa, nialoha sy nandritra ny fifidianana. Tsapa ho miezaka miafina na mialokaloka amin’ny tsy fahombiazana amin’ny alalan’ny fitsikerana na fanebahana ny vokatra azon’ny hafa ankehitriny ireo Mapar sy ny mpanao gazetiny ireo. Midika sahady ho faharesena izany ho an’ny mpandinika manam-panahy sy olon-kendry.

Anisan’ny fihetsika sy fomba iray mampieritreritra fatratra ihany koa hatramin’izao, niseho sy naparitaka teto amin’ny firenena, indrindra teto an-drenivohitra sy ny manodidina, ny fampihorohoroana ny amin’ny hisian’ny korontana raha tsy lany ny kandidà tohanan’ny Mapar. Tsy mandehandeha ho azy izany resaka izany matoa miparitaka hatreny amin’ireo sokajin’olona tsy ampoizina haharaka politika avo lenta. Ny trangan-javatra iray mahatonga ny sainy hirona be dia be amin’ny hoe novoizina ilay izy, dia ny nanjo ireo mpianatra manaraka lalam-piofanana politika tao Paris izay saika tsy nampidirin’i Andry Rajoelina tao amin’ny efitra nanaovana adihevitra. Nitsikera mafy azy ny maro tamin’ireo mpianatra ireo ary taorian’izany dia nisy ny fandrahonana sy fampihorohoroana mihitsy hatrany amin’ireo ray aman-drenin’izy ireo teto Madagasikara. Niseho sy fanta-bahoaka tamin’ny haino aman-jery samihafa izany, fa tsy noforonina akory. Tsy mandehandeha ho azy ireny fihetsika ireny, ary azo heverina fa nisy akony teo amin’ny voka-pifidianana. Mazava anefa ny filamatry ny kandidà Ravalomanana Marc fa tsy mpandrava izy na mpanapotika fa mpanorina sy mpanangana.  Mifanohitra tanteraka amin’ny an’ireto mizotra amin’ny lalana izay mampanahy ny mpandinika maro fatratra.