“AIZA NY LALANA?”

AIZA NY LALANA ?

Aiza ny lalana re Radomelina ?
Hatramin`ny rora aza mila tsy ho telina.
Ny akamakama efa nioman-kifety,
Kinanjo “tsy tafa” fa nisy tsy nety ?

Fihodinana tokana no nantenaina,
Kinanjo ny molotra ity tena maina
Nangaina ny ekipan’i Naivo Ravavany
Fa tena izao ilay hoe “hitan’ny havany” !

Maro sahady ireo nandao ny sambo,
Ary tena tsy lavitra intsony ny antambo.
Ny vola nafafy efa ho firy miliara,
Kanefa ny vokatra ity toa tsy tsara !

Ny akanjo, efa an’hetsiny no nozaraina.
(Ny ambany tanàna efa nampihantaina).
Kinanjo ny zava-miseho toa mangidy,
Fa tsy azo itokiana hainka iretsy mpifidy !

DADAN’i ZINA (19-11-18)