EDITO 15 Novambra – Nandihy tsy afa-tavony Rajoelina sy ny Mapar ka afa-baraka tanteraka

Helisoa

Raha ny voka-pifidianana tsy ofisialy navoakan’ny CENI dia mizotra mankany amin’ny fihodinana faha 2, izay hifanandrinan’ny kandida Marc Ravalomanana N°25 sy ny kandida Andry Rajoelina ny fifidianana filohampirenena natao ny 7 novambra lasa teo. Ao anatin’izany, tsy hipetra-potsiny ny tariky ny mpandrodana sy mpandrava tarihin’i Andry Rajoelina, ka dieny izao ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana dia efa tokony hiomana hiatrika izany. Maro mantsy ny halatra sy ny fividianana olona nataon’ny kandida N°13 manerana an’i Madagasikara, izay nahatonga azy nihirahira fa ho fihodinana voalohany dia ho batainy ny fandresena, izay efa nanaovany fety be teny amin’ny fioben-toerany ny alin’ny 7 novambra, izany no tonga amin’ilay fitenenana hoe: nandia tsy afa-tavony ka afa-baraka tanteraka.

Raha ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia tsy tokony hatory manan-draharaha ireo mpomba ny filoha Marc Ravalomanana tsy ankanavaka satria hita mibaribary ny halatra mivantana sy ankolaka teto, nanodinana ny safidin’ny mpifidy. Ny fantatra aloha dia somary natoritory ihany ny teto an-drenivohitra satria nieritreritra fa efa mazava ny fandresena ho an’ny kandida Marc Ravalomanana. Ny ratsy anefa tsy kely lalana dia tena tafiditra tokoa izy ireo, saingy na izany aza tsy dia nanao ahoana satria matanjaka Dada teto an-drenivohitra, fa raha tsy izany efa tataka be araka ny fitenin’ny tanora ny vokatra teto.

Mbola maro no ho tanisaina eto hanatsaràna ny manaraka, ka aoka ny rehetra samy handini-tena avokoa, mila mandray ny hevitry ny rehetra hampahomby, fa tsy sanatria hibahana hoe izahay ihany no tokony ho henoina teny fa izao sy izao.

Na izany aza dia miandry am-pitoniana isika rehetra miandry izay vokatra farany , fa raha izao aloha dia tsy azo ihodivirana ny hisian’ny fihodinana faha 2 , ka mila mailo dieny izao manerana an’i Madagasikara mihintsy, fa ny ratsy tsy kely lalana .