18:00 > Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana – Andranomahery – Haato ny fanotofana

Noho ny fitarainan’ireo mponina amin’ny faritra iva eto Antananarivo Renivohitra amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna ka miteraka sahady rano miakatra amin’ireny faritra iva ireny dia nidina ifotony nijery izany fanotofana tany izany androany teny Andranomahery- Ankazomanga Boriboritany faha-6, sy teny Amboditsiry Boriboritany faha-5, ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Noho izay fiakaran’ny rano sahady amin’ireo toerana iva ahitana ireo fanotofana tany ireo dia nanapa-kevitra ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa tokony haato aloha ny fanotofana tany ao Andranomahery-Ankazomanga, toy izany koa ny etsy Amboditsiry eo amin’ny Marais Masay, hamoaka didy fampiantoana  ny asa  ny Kaominina mahakasika izay.

Manazava ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana  sy ny sekretera  jeneralin’ny CUA  ary ny  filohan’ny filankevitry  ny Tanana  ny kolonely Faustin Andriambahoaka.