19:00 > Marc Ravalomanana – Mpisolovava sy Vaditany – Mitaky ny PV isaky ny BV amin’ny CENI

Nangataka porofo ny PV tonga ato aminy CENI isaky ny BV nahafahana namoaka ny vokatrs ny  LEGAL TEAM  na ireo mpahay lalana ny kandida N25 Marc Ravalomanana Manazava ny mpisolovava Ranarivelo Andrianaina sy ny vaditany Hery Andriantsima.

Tonga teny amin’ny foiben’ny CENI teny Alarobia ny Legal Team na ireo mpahay lalànan’ny kandidà laharana-25 Marc Ravalomanana, nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny CENI. Tsy nety nandray azy ireo moa ity farany ka ny “Secrétaire Exécutif ” (ndlr, Jean Victor Rasolonjatovo) no nanatanteraka izany.

Araka ny zo fiarovana hanananny kandidà tsirairay dia nametraka fangatahana ireto solontena ireto amin’ny fanomezana ny porofo hanamarinana ny voka-pifidianana (PV) isam-biraom-pifidianana (BV) amin’ny alalan’ny “Procès-verval scanné” sy ny antontan-taratasy manamarina ny famoahana ny vokatra vonjy maika navoakan’ny CENI.

Namaly ny solontenan’ny CENI fa ny voka-pifidianana izay miseho eo amin’ny écran dia tsy mbola voamarina fa mampiseho toetoetra fivoaran’ny vokatra (tendance) fotsiny.

Manaraka izany dia nanamafy tamin’ny alalana Réquisition koa ny Legal Team momba ny taratasy izay napetrakin’ny solontenan’ny kandidà Marc Ravalomanana tamin’ny 12 Novambra 2018 kanefa tsy mbola nahazoana valiny mahafa-po.

Tsy tapak’ilay solontenan’ny CENI moa izany fangatahana izany hoy ny nambarany fa mila apetraka amin’ny tompon’andraikitra mahefa na Bureau Permanent eo amin’ny CENI.