13:00 > Teti-dratsy ampihenana ny isa vaton’ny kandidà n°25, Marc Ravalomanana

Maro ny tetika ahiana ampiasaina mba hamonoana ny vaton’ny kandidà laharana-25:

1- Atao izay tsy hahatongavan’ny voka-pifidianana mialoha ny 5 andro, izany hoe Alatsinainy 12 Novambra, eo amin’ny Sections Recensements Matériels de Votes (SRMV), dia tratran’ny atao hoe Procès-Verbal de carence ny momba ilay biraom-pifidianana, ary tsy tafiditra ao amin’ny fanisam-bato ny voka-pifidianana.

Henoy ny fanambaran’i Hery Rakotomanana avy ao amin’ny CENI (timeline 10:10).

2- Ahitàna tsy fihetezana ny voka-pifidianana avy ao amin’ny biraom-pifidianana (BV) ka ambaraina hoe ‘BV anomalies’, dia very ny isa vaton’ny kandidà izay tokony nandresy tao amin’io BV io.

3- Asiana marika ny voka-pifidianana alohan’ny ahatongavany eo amin’ny SRMV, mba hilazana fa ‘BV anomalie’