12:30 > 10 Nov – AZ TV – Iray sy Iray – Serge Zafimahova nasain’i Fidèle Razara Pierre

Iray sy Iray Asabotsy 10 Novambra 2018 eto amin’ny AZ Radio sy AZ TV manomboka amin’ny 07.30mn hariva, famerenana Alahady atoandro amin’ny 01.30

Vahiny nasaina: Serge ZAFIMAHOVA Mpandrindra ny Fampihelezan-kevitra ny Kandidà Marc RAVALOMANANA

Namelabelatra ny ambangovangon’ny fandaharan’asa anaty ny Manifesto izay voarakitra ao amin’ny Madagasikara Am-Perinasa na Madagascar Action Plan (MAP II) hotanterahan’ny filoha Marc Ravalomanana.

Tena fampandrosoana marina miainga amin’ny fanaparia-pahefana na Décentralisation manomboka amin’ny rafitra ifotony, dia ny fokontany izany ka mitohy amin’ny distrika sy ny faritra ary hatramin’ny Filan-kevitry ny governemanta.

Misy tetik’asa maty paika na ho an’ny tanora vita fianarana na ny tsy nahavita. Misy lamina maty paika sy tetik’ady mahomby ho amin’ny sehampamokarana rehetra.