EDITO 8 Novambra – Madagasikara tanindrazantsika – Kihondalana lehibe no hizorany manomboka izao

Helisoa

Vita iny ny fifidianana, kihon-dalana lehibe indray no hizoran’i Madagasikara manomboka  izao na inona na inona ho valin’ny fifidianana misy eo. Sampanana roa lehibe ihany koa   no hisy manomboka izao, na andeha ho any amin’ny tsara  sy mahasoa, na ho ao anaty lavaka mangitsokitsoka ihany. Misy ny lesoka tamin’ny fikarakaràna ny fifidianana, nefa na izany aza dia nizotra ihany ary navitrika ny vahoaka nandeha namita ny adidiny.

Tamin’ny mitataovovonana omaly dia efa nahatratra 40% mahery ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy nanerana an’i Madagasikara. Midika izany, fa te hamadika ny pejy sy leo ny fahantrana nandritra ny 9 taona ny vahoaka Malagasy, ka na inona na inona valim-pifidianana hisy eo dia tsy ahoany, fa aleo aloha mifidy. Ny filoha Marc Ravalomanana  efa nanambara  sy niantso mandrakariva ny olom-pirenena rehetra fa ny fifidianana ihany no lalana ara-demokratika ahazoana ny fitondràna, fa tsy avy amin’ny fanonganam-panjakàna velively izay nampidi-kizo teto amin’ny firenena toy ny tamin’ny taona 2009.

Eto izany dia miandry am-pitoniana ny valim-pifidianana ofisialy isika vahoaka Malagasy, fa tsy ho voarebirebin’ ny tsapan-kevitra izay mampisavorovoro ny saim-bahoaka iniana volena ao an-tsain’ny Malagasy, tsapan-kevitra izay tsy nahazo alalana tamin’ny CENI, ary milaza lainga nefa dia voizin’ny radio iraisam-pirenena Frantsay iray.

Mbola tsy maty voalavo an-kibo ihany ny mpanjanaka antsika fahiny na dia hitany izao aza fa efa ho ren rika amin’izay izy satria efa hisafidy ny ho amin’ny tena fandrosoana sy fiovana i Madagasikara sy ny Malagasy.