LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
27 febroary 2021. Toliara ... TohinyFintinina
28 minitra lasa
- Likes: 3
- Shares: 0
- Comments: 0
Oniversite Toliary. ... TohinyFintinina
30 minitra lasa
Mankasitraka anareo. Mahafinaritra e! ... TohinyFintinina
1 ora lasa
Andraso tsara ny vavahady! ... TohinyFintinina
1 ora lasa
27 febroary 2021 ANALAKELY. ... TohinyFintinina
4 ora lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_3767113596742120
Ny mahagaga anie de misy mpivarotra ihany ao ohatran't@ 20 fevrier nefa efa nosakanana vao maraina we tsis mahazo miditra. Sa ve voakarama dray reny hanosika ny akanjo mena?
Rainitetaka ,manao vovon'alika lava izao ,omeko brave ny mpanohatra aloha hatreto,ataon'ny 6%mihorohoro lava izao ny 125%
Hahahaha 🤣🤣🤣 tena loza ty😲😲😲fa anga efa tonga ao analakely le volamena🤔🤔🤔
driiiy! tena mandry andriraantsy ry zalahy! calme fotsiny isika ry vahoaka ! misy vidiny ny fandeferana sy ny fahendrena ary fanginantsika!
Aleo koa ao ireo mpivarotra amorondalana ao eh, tsy misy hividy ny entany, ny mpanohitra izao maka Aina any antrano nijery ny adalan'ny mpitondra ftsn
Rajoelina, boaikely ‘dictateur’ et traître à la Nation!
(FR)
Samedi 20 février 2021, Andry Rajoelina n'a pas hésité à utiliser des milices serbes, et s'apprêtait à massacrer la population. De source sûre, ces hommes ont logé dans un hôtel bien connu à Ankorondrano.
Andry Rajoelina ne se cache plus, et malgré une culpabilité flagrante de haute trahison envers le pays, il continue de fanfaronner, en promettant de construire 'son téléphérique' dans la capitale.
L'opposition gonfle et gronde sans discontinuer. Les mouvements d'étudiants à travers toute l'île s'amplifient. Le pays est en voie de cessation de paiement.
La guerre est présente entre un peuple affamé, appauvri, oppressé et la mafia Rajoelina arborant sa force, ses blindés, ses mercenaires, et continuant de piller, d'emprisonner, de bafouer les droits de l'homme.
Le 'petit dictateur' va-t-il longtemps continuer ce rythme?
(MG)
Ny asabotsy 20 febroary 2021 lasa teo dia nirangarangan ny fahasahian'i Andry Rajoelina nampiasa mpikarama an'ady, izay lazaina fa avy any Serbie raha ny vaovao miely, ary vonona ny handatsa-drà. Araka ny vaovao mari-pototra dia tao amin'ny hotely lehibe mora fantatra ao Ankorondrano izy ireo no nipetraka.
Tsy manafina ny haratsiany intsony i Andry Rajoelina, na dia mazava fa meloka eo anatrehan'ny firenena ho manao fahotana mahafaty.
Etsy ankilany dia mitombo isa ny mpanohitra ary miha-manonja hatrany. Ny hetsiky ny mpianatra manerana ny Nosy dia mitomba hatrany. Mirona mankany amin'ny tsy fahafahana mandoa vola intsony ny fanjakana.
Vaky ny ady eo amin'ny vahoaka noana, mahantra, voageja ary etsy ankilany ny mafia Rajoelina manabontsina ny sandriny, miaraka amin'ireo fitaovana mahery vaika, sy mpikarama an'ady, tsy mitsahatra ny mandroba ny firenena, managadra sy manitsakitsaka ny zo fototra maha-olombelona.
Mbola hitohy ela ve izao hafainganam-pandehan'ity boaikely 'dictateur' ity?
(Horonantsary)
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/02/20210226-Madagascar-Rajoelina-Dictature-MercenairesSe...
www.gvalosoa.net/2021/02/26/rajoelina-boaikely-dicateur-et-traitre-a-la-nation/ ... TohinyFintinina
15 ora lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_3764707860316027
Tena efa nivonona t@ rah mandrika mihitsy tsy mendrika hitondra firenena olona tsivanona
Les chiensaboient la caravane passe courage M le Ptesident
NA IZANY NA TSY IZANY DIA NY VOLA-MBAHOAKA IHANY NO HANAKARAMANA IREO #MILICES# IREO, TOHIZO RADOMELINA Â........TSAROVY FA TSY MISY NY MANDRAKIZAY ARY IREO VAOHAKA VOAFITAKA IREO IHANY NO HITSARA. 👺👺👺👎👎👎
Tojoniaina Tsilavina West Rasoarijaona
Mbola misy malagasy miaro ihany anefa ,sady faly ery hoe tsy nahavaky barage ny mpanohatra kanefa tsy ao an-tsain'izy ireo mihintsy hoe efa iakaran'ny terroristes anie ny taniny fa dia ny hamaivanan-doha fankahalana ilay olona hanala azy ireo @loza efa mananontanona no antony .
Adalanze mbola t hifid anaz am manaraka, asa we mahavoky n lamba wany a T shirt orange, 13 jusqu'à la faim.
Efa tsy rariny izan maka vahiny hamono NY malagasy izan... Aiza ho aiza ny position'ireo bebaoty??? Tenue ampiasan'i Police tsika nge no isaloranreo jiolahy ireo e??? De hanaiky vé nareo fa ireo no hamono ny rahalahinareo??? Sao de efa voan'aody ary nareo toa mangina tsy miteny??? Avela ho maty isika t'y vao ho tonga saina????
Dia efa misy terroristes zany eto am tanana ko.Indrisy ry fireneko sisa ity niafaranao.😥😥
Ny mahagaga de ireo manakora ny mpanohitra.. tsy fantany ny loza mihantra amin firenena sa efa sambatra
Indrisy Ianao ry fireneko
Efa vita angaha ilay parc botanique? ... TohinyFintinina
16 ora lasa
Comment on Facebook Nolavin'ny préfet ...
matahotra ko!!!!kkkkkk
Tena marina izany. ... TohinyFintinina
18 ora lasa
Antsirabe androany. Mitokona ny mpianatry ny IES-AV. ... TohinyFintinina
19 ora lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_3763779653742181
Efa te hitifitra zao ry be bôty
Oniversite Toliara (tohiny). ... TohinyFintinina
22 ora lasa
Aty amintsika ny mason’izao tontolo izao! ... TohinyFintinina
22 ora lasa
Comment on Facebook 3763361203784026
Miala n’y DidyJadona.
Oniversite Toliara. Fitokonan’ny mpianatra. ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_3763134833806663
Ary tsy mba heno feo mihitsy ilay député avy any @zao fahorian n’y olona avy any zao
Mankasitraka. ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Ny firaisankina no hery. ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Comment on Facebook Nitsangana ny " ...
Tena malahelo aho amin'ny afitsok'ity fitondrana ity ary tena manohana ny hetsikin'ny mpitarika ny fanoherana. Saika nalahelo taminareo ihany koa raha tsy nirara ireo voasambotra ianareo ka dera ary fankasitrahana no atolotro ho anareo. Mirary soa indrindra fa izahay manohana hatrany
... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook Fandaharana manokana...
ra tsy misy delestage tampoka indray!
za mahalala enao tsy hatoro!
Erikerika Madagasikara
Jadona amin'ny fomba mirantiranty no nasehon'ny fitondrana Rajoelina ny asabotsy 20 febroary 2021 lasa teo tamin'ny fampiasan-kery sy fitaovana raitra, tamin'ny fanakanana ny fifamoivoizana teo amin'ny lalam-pirenena sy ny fivezivezena, izany rehetra izany dia ho fanakanana ny tatitra izay nokasain'ny solombavambahoaka natao am-pilaminana araka ny voarakitra ao amin'ny Lalampanorenana, teo amin'ny Kianjan'ny 13 mai.
Apetraky ny fitondrana ao an-tsaina ny tahotra eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny mpitarika ao amin'ny Miara-manonja dia rahonana amin'ny fisamborana na fifofoana aina mihitsy. Nosamborina ny olompirenena tsotra miisa 11, lazaina fa nanatrika fivoriana tsy nahazoana alalana. Nisy ny voasambotra noho ny fitenaina akanjo mena, na koa noho ny tondro molotra. Mivadika ho firenena jadona i Madagasikara.
Nahare ny antson'ny mpitarika ao amin'ny Miara-manonja ny fikambanana Erikerika Madagasikara, izay niompana hatramin'izao teo amin'ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy, na dia mihoatra an'izany ny sehatra ijoroany, dia ny fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy andavanandro.
Etoana dia hipàka tanteraka amin'ny fanohanana ny Miara-manonja ny fikambanana. Maro tsy tamby isaina ny ezaka mila fifanomezan-tanana ka am-panetrehan-tena ny hiraisanay hina amin'ireo mpiradia amin'ny Miara-manonja. Hanombohana izany dia handray anjara (400.000ar) amin'ny tsipaipaika ho fanampiana ireo namana miisa 11 voagadra tsy ara-drariny ny fikambanana amin'izao andro sabotsy 27 febroary ho avy izao ao amin'ny QG Belera.
Ireto avy ireo namana 11 voatazona am-ponja: Ramamonjisoa Daniel; Rakotoarimanana Ambinintsoa Judickael; Raveloson Fanoboha; Rakotomalala Lynah; Andrianarjmanana Haja Tahiry; Ramiaranjatovo Fanantenana; Randriamboavonjy Roger; Rabenandrasana Jean Michel; Rakotoarisoa Jean Felicien; Rakotonarivo Serge Alain; Rakotoarimanana Parfait
www.facebook.com/455958931569892/posts/1102929236872855/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook Erikerika ...
Tena Mankasitraka anareo Tompoko. Misaotra dia hitahy anareo sy ny asa soa ataonareo anie ny Tompo
N’y Marina tsy mba maty ary raha mbola misy koa ny farany tsy ho foana ny fanantenana.
RY MPITONDRA “LANY FAHANA”
Lany ve ny fomba tsara hampandrosoana firenena,
Ka dia ny haratsiam-panahy no hany sisa mba volena?
Saina ratsy, fomba ratsy, izany sisa no mibahana?
Izay no hany mba talentanao “mpitondra lany fahana”?
Ny eny Faravohitra eny ve no manahiran-tsaina,
Dia ‘zahay “tanàna ambany” no omena tehamaina?
“Reniny” no mahatezitra ary mahamaimbo ra,
Dia tena hatramin’ny “zanany” avy no nanaovan-tsinemà?
Ambohijatovo ve no hisy fivorian’ireo mpanohitra,
Dia ny aty Antsirabe no tsy afa-mihazo renivohitra?
“Inona àry akia no idirako”, hoy ny maro raha nandre.
Ny vorona no manadala dia kapaina ny hazobe?
…Fa lany ve ny fomba tsara ka dia fomba mamohehatra,
No hany sisa arangaranga sy entina mba miaka-tsehatra?
Mihevera, mandiniha sao efa tena “lany fahana”,
Ianareo izay tsy mahomby nefa mbola tia mibahana!
TSIMIMALO (24-02-21)
www.gvalosoa.net/2021/02/25/ry-mpitondra-lany-fahana/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook RY MPITONDRA “LANY...
Mankasitraka e
Mafinaritra ny mahita anareo mianaka
Tsara be ny tonokalo fa misaotra ny mpanoratra.Enga anie mba ho tonga any @ ilay olona hiantefany ny hafatra.
Mankasitraka
Heee , mbola gaga fôna ? Fa nisy ankôtry ny HARATSIAMPANAHY va re nataony teto nanomboka 2008. ee?
"Any @ tsy mivonto no manaintaina "
Kkkkkk lalina be resaka izany raha dinihina tsara
Tena tsara ary marina , mankasitra ô !!!
Makasitraka ô
Misaotra e.
Misy farany rah jiaby
Misaotra betsaka e!
Mankasitraka ny poety. 👍👍 Tena mpitondra efa tsisy eritreritra mihitsy ka manapatra ny fahefany handavo ny tsy manatsiny. Tandremo ihany lahy Ary matahora an'Andriamanitra. NY ratsy hatao loza mihantona Ary zay mamafy rivotra hijinja tadio. Masina ny tanindrazana 🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Mahafinaritra e ! Tokony ahatonga saina ny maty Fanahy ! Misaotra indrindra 😂🙏!
Tena tsara mazava tsara ny tiana tenenina
Jolies dames
Misaotra e
Eeeee mahamenatra ny zavatra mba hataon ny mpitondrntsika
Lasa poète tampoka ny sasany manoloana ny zava-misy.
Fanaparam-pahefan’ny zandary – Tsy izy intsony ity, mitokona hatramin’ny Fifohazana
Stefa
Tsy izy intsony ny zava-misy amin’izao fotoana izao eto amintsika, noho ny fanaparam-pahefana ataon’ireo zandary sasany. Notongavan’ny Apôstôly Fifohazana avy any amin’ny Tobin’ny Fifohazana any Soatanàna omaly, tao amin’ny Tribonaly any Fianarantsoa, faritra Matsiatra Ambony. Ny anton’izao hetsika izao dia noho ny fanararaotam-pahefan’ny Zandary tany Isorana. Faritra tsy milamina ny any amin’izany faritra Isorana izany amin’izao fotoana.
Araka ny nambaran’ireo Apôstôly, misy resaka basy ity raharaha ity, noterena handoa vola be ny Apôstôly iray nitana basy tany an-toerana, ka rehefa tsy nanaiky dia nataon’ireo mpitandro filaminana izay nanamelohana azy. Tonga tany amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ireo Mpiandry ireo omaly, nitaky tamin’ny fampanoavana tany an-toerana ny hamoahana ny namany, satria fiampangana tsy mitombina ny fiampangana azy, hoy izy ireo.
www.gvalosoa.net/2021/02/25/fanaparam-pahefanny-zandary-tsy-izy-intsony-ity-mitokona-hatraminny-f... ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Fianakaviamben’ny mpanohitra – Hiova ho ady amin’ny DJ, na Didy Jadona ny tolona
Helisoa
Hiova ho ady amin’ny DJ, na ady amin’ny Didy Jadona ny tolon’ny fianakaviamben’ny mpanohitra manomboka izao. Nisy ny valandresaka nataon’ny fianakaviamben’ny mpanohitra eto Madagasikara: ny TIM , ny RMDM, ny vondrona PANORAMA ary ny fikambanana maro samihafa, tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana afak’omaly.
Tao anatin’izany dia niray feo ireo mpanohitra rehetra, fa miova ho tolom-bahoaka hiady amin’ny jadona sy ny fanaparam-pahefana manomboka izao ny hetsika, fa tsy tatitra ataon’ny depiote TIM fotsiny intsony.
Noho izany, mitaky ny hamotsorana tsy misy fepetra ireo nogadraina miisa 11 ny mpikambana rehetra ao anatin’ny rodoben’ny mpanohitra, satria tsy nisy doro trano, na korontana, na rà latsaka tamin’ny sabotsy 20 febroary teo hoy izy ireo.
Ankoatra izay dia manameloka ny fanaparam-pahefana nataon’ny mpitondra amin’ny fampiasàna fitaovam-piadiana mahery vaika nafarana antsokosoko namoretana vahoaka ny mpanohitra, araka ny tatitra nataon’ny filoha lefitry ny RMDM ny pasitera Edouard Tsarahame.
Anisan’ny nitarika izao tafa tamin’ny mpanao gazety izao ny senateran’i Madagasikara teo aloha avy amin’ny antoko HVM Andriamatoa Rémi, ny filoha lefitry ny RMDM Faritanin’i Toaliara Pasitera Edouard Tsarahame, ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, ny filohan’ny antoko Kintana Tabera Randriamanantsoa,… Arak’izany dia mitohy ny tolona, hoy izy ireo. Na tsy tafiditra teo amin’ny 13 mey azan y mpanohitra ny sabotsy teo, fahombiazana ho azy ireo io zava-nitranga ny sabotsy teo iny, hoy ihany ny fanambarana.
www.gvalosoa.net/2021/02/25/fianakaviambenny-mpanohitra-hiova-ho-ady-aminny-dj-na-didy-jadona-ny-... ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook Fianakaviamben’ny ...
Atao daholo Zao rehetra Zao fa eeeéeee
Afa-nenina amin’ny fitondrana ny Miara-manonja
Stefa
Mitohy hatrany ny fandaharana Miara-manonja, ao amin’ireo onjampeo efa nandefasana izany hatramin’izay dia ny MBS Radio FM 95.4 Mhz, ny Radio Mada FM 100.8 Mhz, ny AZ Radio FM 101.8 Mhz ary ny Soa Radio FM 96.8 Mhz. Ankoatra an’ireo, mandeha amin’ny tambazotran-tserasera youtube, sy ny facebook ihany koa ny fandaharana, ka afaka arahana, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa any amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy, sy hatrany ivelan’i Madagasikara.
Anisan’ny nandray fitenenana nandritra izany fandaharana izany omaly, ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, ny depiote Fidèle Razara Pierre, ny depiote TIM hafa, ny mpanao politika Guy Maxime tamin’ny alalan’ny antso an-tariby, ny mpanao gazety sady ministra teo aloha Andrianjato,…
Mahakasika ny filazan’ny mpanao politika sasany, fa ilaina ny fifampidinihana ho famahana izao krizy politika eto amin’ny firenena izao, tsy any intsony ny resaka hoy ny Miara-manonja, satria efa afa-nenina amin’ny fitondrana Rajoelina izy ireo amin’ny tsy fahaizany, ny tsy fahombiazany, ny didy jadona ataony, ny fanaparam-pahefana, ny fanitsakitsahany ny lalampanorenana, ny tsy fijereny ny vahoaka rehetra, fa ny ampahany ihany,…
Efa voaresaka tamin’ny FFKM koa izany hoy izy ireo, tsy mangataka ary tsy hangataka ny hanelanelanan’ireo ray aman-dreny am-panahy amin’ny fitondrana ny Miara-manonja. Ka dia ho avy ny toromarika manaraka amin’ny tohin’ny hetsika izay hatao, tao aorian’iny fahombiazana ny sabotsy lasa teo iny, fahombiazana satria lasa tanàna maty ny afovoan-tanànan’ny renivohitra tamin’iny fotoana iny, fahombiazana satria dia navoaka avokoa ny sokajina mpitandro filaminana samihafa, eny fa hatramina mersenera vahiny sy milisy miakanjo sivily mitam-basy aza dia hita teny Analakely sy ny manodidina avokoa ny andron’ny sabotsy lasa teo iny.
Manameloka ny fisamborana ireo 11 mianadahy voasambotra tamin’iny andro iny koa izy ireo, ary mitaky ny hamotsorana ireo olona nofonjaina ireo tsy misy fepetra.
www.gvalosoa.net/2021/02/25/afa-nenina-aminny-fitondrana-ny-miara-manonja/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook Afa-nenina amin’ny...
Courage foana e
ilay tv mbs @ satellite ve tena ts'isy hevitra hamerenana azy intsony fa lasa monotone be ilay vao2 jerena vao tapaka ny mbs?
21 febroary, andro eran-tany – Fampitana fahalalana mahomby indrindra ny tenindreny
Ny Valosoa
Tamin’ny alahady 21 Febroary teo ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tenindreny, izay tsiahivina fa tolo-kevitra avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Miakambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina, na ny Unesco, ary nankatoavin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana io fankalazana io.
Ny tenindreny dia izay teny ampiasain’ny reny ifampiresahany amin’ny zanany manomboka any ambohoka, ka mandrapahalehibeny. Ho antsika malagasy amin’ny ankapobeny dia ny teny malagasy no tenindreny, ny an’ny frantsay dia teny frantsay, ny an’ny sinoa dia teny sinoa, sns…
Ny Unesco dia efa hatramin’ny 70 taona mahery no efa nanambara, fa ny teny fampitana fahalalana mahomby indrindra ho an’ny zaza dia ny tenindreniny ihany ary nohamafisin’ny Unesco, fa ny manampahaizana mpikaroka erantany dia nobeazina sy nampianarina tamin’ny tenindreniny avokoa, toy ireo manampahaizana, Amerikana, Sinoa, Rosiana, Indiana, Frantsay , sns…
Ny teny malagasy dia ampy ibeazan’ny zanaka Malagasy, saingy ny mpitondra no tsy mahatoky tena, ny hanaporofoana izany dia efa tamin’ny 21 Jona 1835 no efa voadika tamin’ny teny malagasy ny baiboly, ho an’izay efa nandinika io boky masina io dia hita ao avokoa ireo taranja maro toy ny teolojia, filozofia, tantara, jeografia, lalàna, sosiolojia, toekarena, fitantanana, politika sy ireo fomba amam-pahendrena tsy tambo isaina.
Tamin’ny fihaonambempirenena notanterahina tamin’ny taona 1993, dia samy nanaiky avokoa ireo mpizaika, fa ny teny malagasy no tenimpirenena ofisialy, fa rehefa naroso ny fanontaniana hoe inona ny teny enti-mampianatra dia samy niala ilany avokoa satria maro ireo te hifikitra amin’ny teny frantsay.
Ny fitondrana notarihin’ny Filoha Ravalomanana, raha nanitsy ny lalampanorenan’ny Repoblika fahatelo tamin’ny taona 2007 dia nametraka mazava, fa ny teny malagasy no teny ofisialy, ary ny teny ampiasaina dia ny teny malagasy sy ny teny anglisy ary ny teny frantsay, saingy rehefa natao ny fanovana ny lalampanorenana tamin’ny Repoblika fahaefatra dia nesorina tao ny teny anglisy, fa ny teny frantsay dia mbola notazonina soa amantsara.
Ny azo ambara kosa aloha dia nisy ny tsy fahombiazana tamin’ny fampiharana ny fanagasiana, ny antony: tsy ny teny malagasy no tsy mahomby, fa ny fomba nanaovana ilay fanagasiana no natao ankamehana, tsy nisy ny tetibola mazava nampahombiazana ny fanagasiana, tsy mbola vonona tanteraka ny fitaovana toy ny boky ary indrindra tsy lavorary ny fanofanana ireo mpampianatra nampita ny fahalalana, dia izay no nahapotika ilay fanagasiana.
Ankehitriny dia mbola ihazakazahana ny “école d’expression française” kanefa dia misy ny porofo mivaingana, fa nisy tamin’ireo ankizy nampianarina tamin’ny teny malagasy izay tsapa, fa misaina kokoa, fa tsy mpanao tsianjery maimbo, efa nisy mihitsy aza mpampianatra tamin’ny Oniversite frantsay vaky vava niteny hoe tena misy ikoizana ireo mpianatra malagasy nampitana fahalalana tamin’ny teny malagasy, ka na nianatra tany Frantsa na Etazonia, na Japon na Shina dia tsy nisedra fahasahiranana teo amin’ny fandraisampahalalana, sady lasa mpikaroka, fa tsy sanatria mpamerina ny nataom-bazaha fotsiny. Ny Unesco koa dia nanitrikitrika fa ny zaza tsara fototra amin’ny tenindrazany dia mora mahafehy tenimpirenena hafa.
Manana ny lanjany ny teny malagasy, raha mitaha amin’ny tenin’ireo firenena afrikana maro satria eto amintsika dia afaka mifandray avokoa ny malagasy avy amin’ny faritra samihafa, fa ny atsy afrika dia misy faritra tsy afaka mifampiresaka, fa tsy maintsy mindrana ny teny frantsay na teny anglisy, raha te hifanerasera ny mpiray firenena samy hafa faritra niaviana, ary eo amin’ny lafiny fanabeazana dia tafiditra ao anatin’ireo teny 12 voalohany aty Afrika ny teny malagasy, azo ampiasaina amin-javatra maro, raha ny filaharana manerantany indray dia tafiditra amin’ny roanjato voalohany ny teny malagasy amin’ireo teny mahatratra enina arivo mahery manerantany.
Manana ny lanjany sy ny hasiny ny tenindrazantsika saingy marivo salosana ireo mpitondra, na mety fohy fisainana ka tsy mahataka-davitra, ny Filoha Ravalomanana no mpitondra sahy nanome lanja ny tenindrazana malagasy, ka tsy nahagaga raha nandroso ny firenena fony izy nitondra, f’ireo nitondra taorian’ny taona 2009, ka hatramin’izao, izay bolokim-bazaha dia tsy mahatsapa fa fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra io tenindrazantsika io,ka tokony ho trandrahina ampandrosoana ny firenena, sady mampitombo ny fitiavan-tanindrazana ny fandalana ny tenindrazana.
www.gvalosoa.net/2021/02/25/21-febroary-andro-eran-tany-fampitana-fahalalana-mahomby-indrindra-ny... ... TohinyFintinina
2 andro lasa
EDITO 25 Febroary – Omeo ny volan’olona
Sôh’son
Maro ireo manao fitakiana eto amin’ny firenena efa am-bolana maro izao. Itrangan’izany na eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana, ny fampianarana, ny toekarena, sns… Anisan’ny itovian’izy rehetra dia resaka vola, izay tsy voaloan’izao fitondrana Rajoelina izao, efa amam-bolana maro. Maninona no tsy anaovana ezaka ny volan’olona kanefa tena iankinan’ny fiveloman’izy ireo, sy ny ankohonany mbamin’ny fianakaviany?
Anisan’ny sahirana mafy amin’ny fivelomany noho ny tsy fahazoany ny karamany amam-bolana ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Kraoma. Efa ela izay fitakiana nataon’izy ireo izay, ary efa ela no nipetraka teo anoloan’ny orinasa misy ny birao foibeny ny banderole, na sora-baventy misy soratra mena milaza ny fitakiana ataon’ireo mpiasa. Manao antso an-tany efitra ve izy ireo?
Eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana dia nisy ireo hetsika nataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana mpitsabo mpanampy, na paramedy. Nampijaliana mihitsy sy nampihorohoroana aza izy ireo tao anaty fitakiana nataony, kanefa niaraha-nahita ny ezaka lehibe nataon’izy ireo nitsabo sy niaro ny mpiray tanindrazana. Izy ireo mihitsy no teo ambava –ady niatrika ny fahavalo tsy hita maso dia ny valanaretina covid-19. Toa atao tsinontsinona izany ezaka sy adidy lehibe nataon’izy ireo teto amin’ny firenena izany, fa nahoana loatra? Raha mpitandro filaminana anefa no manao fitakiana toy izany na ireo depiote, azo inoana marimarina sy ny efa hita, tsy niandry fotoana ela dia nahazo valiny. Misy fiangarana sy fijery mitanila eto amin’ity firenena ity ataon’ny fitondrana Rajoelina.
Fa anisan’ny navaivay ny hetsika fitakiana teny amin’ireo sekoly ambaratonga ambony, na Oniversite tamin’ny faritra maro nanerana ny Nosy. Efa am-bolana maro ihany koa ireo mpianatra no tsy nandray vatsim-pianarana izay tokony horaisiny. Zana-bahoaka ireo ary miankina amin’izany vatsim-pianarana izany ny hamitàny ny fianarany. Iaraha-mahalala, fa tsy miantsy miafara amin’ny hetsika ireo mpianatra eny rehefa misy fahataràny toy izany ny vatsim-pîanarana. Efa niseho nandritry ny taona marobe teto amin’ny firenena izany, kanefa tsy hain’izao fitondrana izao ny misoroka azy mihitsy. Manaporofo hatrany ny tsy fahaizany mitantana firenena. Avy eo hakorontan’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny gazy lakrimôzena izy ireo. Niafara mihitsy tamin’ny fahafatesana mpianatra anefa izany noho ny nitondrana bala tena izy. Mpianatra no atrehina, bala tena izy no entina? Mpitandro filaminana manao ahoana izany? Avy eo ailika any amin’ireo mpianatra ny tsiny rehetra amin’izay vokatr’izany, na itadiavana hevitra hafa, mba tsy ho voasaringotra ny tompon’antoka tamin’izany famoizana aina sy rà latsaka izany.
Ireo aloha no tanisaina. Mitaky ny volany sy ny zony ny olom-pirenena izay manana zo tanteraka amin’izany. Matoa ireo toe-javatra ireo sy ny hafa mitranga dia tsy mahavita ny andraikiny izao fitondrana ankehitriny izao. Raha tena manana ny fitiavan-tanindrazana marina ny mpitondra hatramin’ireo solombavambahoaka mpanao vavabe sy loholona miara-dia aminy ireo, ary mitsinjo marina ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, dia amin’ny karamabe sy tombontsoa azon’izy ireo isan’andro sy isam-bolana hanalàna, raha toa ka sahy hilaza ho tsy manam-bola ny fitondrana. Ny vahaolana amin’izao fitakiana maro samihafa dia tsotra, omeo ny volan’olona, raha tsy izany dia mametrà fialana rehefa tsy efa izany.
www.gvalosoa.net/2021/02/25/edito-25-febroary-omeo-ny-volanolona/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 25 Febroary 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
2 andro lasa
"Mitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao"
Inona no avalinao amin’izao prezidà a? Mbola 13 foana ve? ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Madagascar – Samedi 20 février 2021 – Rajoelina, le vrai visage: brigand, voyou, terroriste!
24/02/2021
Lanzelo
Samedi 20 février 2021, les rues de la capitale ont été investies par des militaires armés jusqu’aux dents, des blindés, des hommes cagoulés. Les routes nationales ont été bloquées pour empêcher les citoyens de rejoindre la capitale.
L’objectif de ce dispositif d’intimidation et disproportionné était d’empêcher les six députés TIM de la capitale de rapporter au peuple des sujets débattus à l’Assemblée Nationale comme le stipule la Constitution. Empêchés de tenir l’événement sur la place de la Démocratie à Ambohijatovo par le Maire, sous le prétexte fallacieux de transformation de l’espace en jardin botanique, les députés avaient décidé de convoquer les citoyens sur la Place du 13 mai.
Résultat, la capitale est devenue ville morte pendant des heures, les citoyens ont été privés de circuler librement, et bien évidemment de venir entendre le rapport des députés, mais beaucoup plus grave, de simples personnes portant un polo rouge ont été mollestées et embarquées de force, puis envoyées en prison. La fille du député Hanitra Razafimanantsoa, exerçant comme sa mère le métier d’avocat, s’est retrouvée victime d’un traquenard impliquant des gendarmes, présentée au parquet sous le prétexte de détention d’un sachet de chanvre indien. Celle-ci s’est vue répéter à plusieurs reprises qu’il suffirait que sa mère se présente au poste de gendarmerie pour que tout soit résolu.
Le pouvoir Rajoelina, aux abois en raison de la mauvaise gestion, pour ne pas dire mafieuse, des affaires du pays, utilise la force pour contenir les manifestations d’étudiants à travers le pays: ENS; Université d’Antananarivo, Université Diego-Suarez, Ecole Polytechnique, Université de Tamatave. Des balles réelles ont été utilisées à Tamatave, et un étudiant en deuxième année d’économie, est décédé d’une balle alors qu’il se trouvait dans l’enceinte de l’université.
L’injustice est criante. En réponse à une demande de paiement d’équipements universitaires et de 4 mois de bourses en retard, pourtant déjà votés dans la loi de finances, l’état envoie les forces de l’ordre pour répréhender les étudiants, tuant, blessant, emprisonnant.
Par ailleurs, malgré 800 millions $ d’aides offertes par la communauté internationale dans le cadre du COVId-19, l’état n’a pas été en mesure d’honorer l’indemnisation des professionnels du secteur paramédical.
Ce samedi 20 février 2021 est un tournant. Le pouvoir Rajoelina révèle aujourd’hui son réel visage: état brigand, état voyou, état terroriste.
(Illustrations, émission RTL La Réunion avec Mpanarivo Rakoto, RMDM)
‘https://youtu.be/7zZIyqZOb7Y
‘https://fb.watch/3RNx0Bw2lK/
www.gvalosoa.net/2021/02/24/madagascar-samedi-20-fevrier-2021-rajoelina-le-vrai-visage-brigand-vo... ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_3753585344761612
La violence est l’arme des faibles.
Tahaka ny hoe nisy nanafika mihitsy Madagascar ka nanao dispositifs de guerre mihitsy. Le olona. Tsy navela nandeha no tena loza.
Otrany reny oe nisy ady lehibe teto @tanana !pfff
Ry Mpandresy lava matahotra mafy ny 6%kely imbéciles