10:00 > Ampatana – Antsirabe I – Fanafenana kara-pifidianana

Zava-doza fa sady tsy tahotra tsy henatra no ataon’ity komitim-ponkontany ao Ampantana Antsirabe-I. Afeniny daholo ny karapifidianan’ny mpomba an’i Dada.
Milaza mantsy izy fa tsy misy karapifidianana tonga nefa dia io tratra ambody omby io izy manavaka ilay kara-pifidianana. Tsy vitan’ny fanafenana karapifidianana ihany fa ao koa ny tsy fipetrahana ho tsy mitanila amin’ny maha komitim-ponkontany azy satria ao anaty biraom-ponkontany izy no misalotra ny akanjon’ny kandida izay tohanany. Misora-tena ho lefitrany lehiben’ny fonkontany koa izy.
Aiza ny CENI sy ny distrika amin’zao tranga mamoatahotra izao?
Marihana fa izy sy ny sefom-ponkontany no miaraka manao izao araky ny fitarainan’ny mponina eny ary ao anaty birao ao koa izy ireo dia manao fampielezan-kevitra .