Mahasolo – 2 Nov – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Teto Mahasolo izahay, manjaka ny tsy fandriam-pahalemana eto. Fanomezan-toky voarakitra ao anatin’ny manifesto, ireo lisitry ny asa hataon’i Dada dia hatao vaindohan-draharana ny famerenana ny fandriam-pahaliemana, hamboarina indray ny lalana, hajoro ny fitsarana marina tsy mitanila ary haverina indray ny hasin’ny mpitsara izay hita fa mikorosofahana ny fari-piainany. Toy izany koa ny mpitandro ny filaminana homena “drône” izy hanenjehana ny dahalo ary azo hampiasaina na amin’ny alina aza satria misy taratra antsoina hoe « infrarouge » ao aminy.
#fidio_dada_25