Andranomanelatra – 1 Nov – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Hafa ihany ny vahoak’Andranomanelatra. Hitako fa hendry ianareo. Tonga eto aho hanao fampielezan-kevitra, handresy lahatra anareo hifidy ahy amin’ny 07 novambra izao. Matoky aho fa hifidy ahy eto Andranomanelatra.

Hataoko ho laharam-pahamehana Andranomanelatra. Ity ilay « Manifesto » na fanomezan-toky ny asa hotanterahana .

Ireto no lisitry ny asa hatao :
Amboarina indray ny lalana, haverina ny fandriam-pahalemana, harovana ny olona sy ny fananany, hatsangana ny fitsarana marina tsy manao kolikoly, haverina ny fifampitokisan’ny mpitondra sy ny vahoaka.
Omena fitaovana ilainy ny mpitandro filaminana mba hahafany mikaroka ny olon-dratsy, haverina ny fifampitokisana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka.
Hiantohana ny fitsaboana ny olona rehetra, manana zo hanantona ny tobim-pahasalamana ny vahoaka, eto amintsika anefa matahotra manantona tobim-pahasalamana ny vahoaka fa tsy ampy ny volany. Tsy mahafapo azy ny fitsaboana.
Hampianarina ny ankizy, hozaraina kits scolaires sy tablier, hokarakaraintsika ny ankizy, zanakareo ireo fa zanako ihany koa ireo. Tsy misy faritra afaka mandroso raha bado ny olona ao aminy.
Omena ordinatera ny tanora mihoatra ny 18 taona ahafahany mianatra tao-zavatra.
Tsy maintsy miasa daholo ny vahoaka.
Hampitomboina ny fidiram-bolan’ny mponina . Omena teknika vaovao amin’ny fambolena sy fiompiana ianareo mba hitombo ny vokatra, ary mitombo koa ny fidiram-bola.

#fidio_25_lany_dada_aaa