Ikalamavony – 29 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Taona maro tsy teto Ikalamavony aho. Faly tena faly aho tonga eto androany.
Tonga eto aho hanao propagandy , handresy lahatra sy hitondra fanazavana aminareo.
Amboarina indray ny lalana, ho mora ny anenjehana ireo dahalo mampahory anareo, haverina ny fandriam-pahalemana, I dada tsy hisangisangy amin’ny mpaka ankeriny, ny malaso sy olon-dratsy. Harovana ny olona sy ny fananany. Homena ny fitaovana vaovao ny mpitandro filaminana. Vitan’i dada ny mandamina ny fandriampahalemana.
Haverina ny tetik’asa fampianarana, tsy maintsy ampianarina ny zaza Malagasy, omena ilay aron’akanjo ny mpianatra mba hitovy daholo, omena kits scolaires ilay fitaovana entiny mianatra toy ireto asehoko anareo ireto. Misaotra an’Ikalamavony tonga maro.

FIDIO_I_DADA825
#fidio-25