Ela niandrasana nandritra ny 9 taona an’i Dada i Mahajanga

Raniry any Mahajanga
Nangonin’Isambilo
Fanehoan-kevitr’i Raniry, mpanoratra sy mpanakanto any Mahajanga indray no Tafatafa eto amin’ny gazetinao androany :

Tontosa soa aman-tsara ny alarobia teo ny fampielezan-kevitra niarahana tamin’i Dada Marc RAVALOMANANA teto Mahajanga. Na dia tao anatin’ny andro sy ora fiasana aza no nanatanterahana an’izany dia feno hipoka tanteraka ny kianjan’ny Fitiavana MAGRO Mahajanga. Vahoaka resy lahatra sy babo tanteraka no nameno ny kianja, vahoaka hendry sy mendri-piderana tokoa. Nahafinaritra ny fiarahana, nalain-kisaraka ny rehetra na dia efa alina aza ny andro. Hita soritra teny amin’ny endriky ny rehetra fa tsy noterena na notambazana vola sy t-shirt fa resy lahatra tanteraka hifidy sy hampandany an’i Dada amin’ny fihodinana voalohany. Tsy nisy estrade mijoalajoala sy fandaniam-bola be natao kanefa tena nahomby ny hetsika. “Arsistes” avy teto an-toerana ihany, izay notarihan’ny groupe Ni, tsy nokaramaina na notambazana vola fa nanolo-tena an-tsitrapo no nanafana ny sehatra mandra-piandry ny fahatongavan’i Dada. Nanakoako ny hoe : “Iza ny antsika no hotohanana? I Marc RAVALOMANANA!”. Novoaboasan’i Dada tamin’izany ny vontoatin’ilay “Manifesto”, izay toky ifanaovany amin’ny vahoaka Malagasy. Velombolo ny rehetra fa ho avy tokoa i Dada amin’ny angady sy ny harona. Velom-panantenana indray fa tonga ilay olona efa nandrasana nandritra ny sivy taona. Tazana tao avokoa ireo ekipa rehetra izay efa niaraka hatramin’ny taona 2001, namohafoha ny tsiahy, ny zavatra niaraha-niharitra sy niaraha-nigoka hatramin’izay. Efa manangasanga tokoa ny fandresena e! Mitaona antsika rehetra mba samy ho tonga hifidy, hampandany an’i Dada Marc RAVALOMANANA amin’ny fihodinana voalohany. Matoky ny fahendrentsika rehetra fa ny zanak’i Dada dia tsy atoro voanjo hadiana amin’izany e!

Manaraka izany dia manomboka maresaka sahady tato ho ato ny resaka hala-bato sy ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Mahagaga sy mahatalanjona fa misy fokontany iray ato an-tampon-tanànan’i Mahajanga, ny talata maraina lasa teo dia nisy ramatoa iray nilaza fa “Tongava izay hisoratra anarana fa izahay vonona hikarakara”. F’angaha afaka notohizana indray ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana? Aoka isika rehetra mba samy hanara-maso tsara fa toa mandady sahady ny trambo. Betsaka ny nanjary tsy nahatoky tena intsony rehefa nahita ny fanongan’ny mpomba an’i Dada, izay tsy terena na tambazana vola aman-karena fa tena resy lahatra tanteraka. Hafahafa ihany koa fa toa nanjary nenjikenjehina indray tato ho ato ny fizaràna karapanondro eto Mahajanga. Nahoana no amin’izao ankatoky ny fifidianana izao vao manao an’izany? Miantso ny mpanara-maso rehetra na avy eto an-toerana na avy any ivelany mba hijery akaiky an’io resaka sadasada io mba tsy hiteraka olana. Efa mazava ny resaka nataon’ny CENI fa tsy azo sokafana na kitihina intsony ny lisi-pifidianana fa izay voasoratra talohan’ny volana Aprily 2018 ihany no voasoratra hatreto. Mazava ihany koa fa tsy misy intsony ny “ordonance” ka aoka ny resaka mba atao mazava tsara mba tsy hiteraka olana goavana indray eto amin’ny firenena. Sao sanatria hanao toy ny tamin’ny nifidianana ity Lalampanorenana petatoko ity ka ny karnem-pokontany avy dia nahafahana nifidy. Samia mitandrina fa efa mitodika any amin’ny “Plan B” ny sasany amin’izao fotoana izao fa toa tsy mahaovoka ilay fanobahana vola sy tee-shirt. Aoka samy hanara-maso tsara isika rehetra fa tsy mionona fotsiny amin’izao. Sahia mijoro hanavotra an’ity firenena malalantsika rehetra ity mba ho amin’ny hoavin’ireo taranaka faramandimby. Ny antsika olon-dehibe efa naman’ny vita fa ny an’ireo dimby sy fara ireo jerena. Hanao ahoana tokoa moa ny ho avin’ireo taranaka ankehitriny ireo raha avela amin’izao zavatra iainany ankehitriny izao ity firenena ity? Ao amin’ny tribonaly ny mainty lasa fotsy rehefa miasa ny vola. Tsy miasa intsony ny diplaoma sy ny fahaizana fa izay manam-bola ihany no afaka. Ny kolikoly sy ny gaboraraka efa tena mila hampiteny ny moana mihitsy. Tsy voahaja intsony ny fahendrena sy ny soa toavina malagasy fa Malagasy miofo tanteraka. Miha-lalina hatrany ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana moa efa tsy lazaina intsony. Ny fahasalamana sy ny fanabeazana manginy fotsiny. Tsy mbola takona akory ny fery napetrak’ilay lalàm-pifidianana natao amboletra izay niteraka resabe teto amin’ny firenena iny ary tsy sanatria miteniteny foana ireo kandidà izay mitabataba ankehitriny fa ny hitsikitsika, hono, tsy mandihindihy foana fa ao raha.

Samia mijoro isika rehetra e! Izay ihany no fanafodiny ! Aoka hiasa dieny izao ny mpanara-maso rehetra, na teratany na vahiny. Aza mifanilika andraikitra fa raiso an-tanana ny fanaraha-maso ny safidinao dieny izao tsy mbola manomboka izao ny fifidianana. Ataoko ahoana ny hijery fotsiny ny fahavoazana manjo ny fireneko? Koa samia re mba mijoro amin’izay isika rehetra e! Hamongotra ny tsy rariny ka hampanjaka ny hitsiny eto amin’ity firenena iombonana ity, mba tsy ho kizo fara tahaka izao intsony ny taranaka amam-para. Mahereza doholo isika mianakavy e!