Ambovombe Centre – 29 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Tena faly aho tonga eto Ambovombe Centre Manandriana, na kely aza ny toerana dia marobe ianareo no tonga. Misaotra anareo e ! Hanao fampielezan-kevitra handresy lahatra anareo HIFIDY ahy amin’ny 07 novambra, laharana faha 25 no antony ahatongavako eto.

Hamonjy sy hanavotra ary hanafaka ity firenena ity aho amin’izao fahasahiranana manjo antsika izao.
Fantatrareo tsara ny fitiavako an’i Madagasikara, izay no nahatonga ny antoko hoe Tiako i Madagasikara, ary fantatrareo ihany koa ny fahatahorako an’Andriamanitra ary izany no voaloham-pahendrena.

Manana ny paik’ady hitondrako fampandrosoana aho dia ny “manifesto”. Lisitry ny fanomezan-toky miisa folo izay nazavaiko teto.
Amboarina ny lalana eto, haverina ny fandriam-pahalemanana, harovana ny olona sy ny fananany, ny taniny, haverina ny fitsarana marina sy fitsarana mijery ny madinika, omena fitaovana tokony ho azy ny mpitandro filaminana. Hiantohana ny fahasalaman’ny olona, omena sakafo ny Malagasy. Hampitomboina ny fidiram-bola, omena zezika sy masomboly ny tantsaha ary ny teknika fambolena sy fiompiana. Haverina ny tetik’asa fampianarana. ,ity asehon’ny Sarah, zanako vavy, ity ny modelin’ny “kits scloraires” efa misy fitaovana ao anatiny izay hozaraina maimaim-poana rehefa lany i Dada.

#FIDIO_MARC_RAVALOMANANA_25