Marc Ravalomanana – “Manohitra ny herisetra atao amin’ny vahoaka aho!”

TENA TEZITRA SY MALAHELO AHO!!!

Tohina tokoa aho tamin’ny fihantsiana sy fikasihan-tanana ireo mpanohana ahy eto Antananarivo. Anisan’izany i Tompokovavy RAZANABOAHANGY MARIE AUGUSTINE “Neny”, renim-pianakaviana 46 taona izay nodimandry ny zoma alina 26 Oktobra 2018 vokatry ny vono sy ny herisetra nahazo azy. Ity renim-pianakaviana ity dia niaraka tamin’ ireo ekipa nanao fampielezankevitra teo Tsaralalàna Cité Lacoste sy ny manodidina ny zoma tolakandro. Mirary fiononana feno hoan’ny fianakavian’ny maty aho sy mampitraka ireo mpiaradia rehetra.

Izao no fanafihana faha-6 nahazo ireo mpanohana ahy teo anivon’ny Boriboritany voalohany hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra.Vao nanomboka ny fampielezankevitra dia efa tonga nanao fihantsiana tao amin’ ny Foibe TANA I ireo andian’ ny mpanohana ny kandida iray. Nitohy tamin’ ny fanipazana cocktail molotov misy asidra ny sono mobile sy ireo vahoaka mpanentana teo 67 Ha izany sy fanaovana tambabe tampoka vehivavy iray nanao tee shirt misy ny sariko. Tsy azo ekena mihitsy ny fampiasana herisetra!!!

Adidin’ny Kandida arahin’ny olona manao ireny fihetsika mahery vaika ireny no mijoro mandray andraikitra haingana. Adidiny no manameloka izany ampahibemaso, ary miantoka ny tsy hitrangan’izany intsony. Adidiny no mifehy ny mpanara-dia azy, ary miteny amin’izy ireo fa tsy azo lefereny ny fihetsika feno herisetra toy ireny. Mila fitoniana sy filaminana ny Firenentsika. Manao antso avo amin’ny Vahoaka Malagasy aho. Matoky ny fahendren’ny Vahaoka Malagasy aho.

Samy manana ny fomba fijeriny ara-politika ny olona tsirairay ary zony tanteraka ny manohana sy misafidy izay kandida tiany ka tokony atao am-pahendrena sy am-pilaminana izany. Fatra-mpanaja “discipline” ny mpanara-dia ahy. Fandriam-pahalemana, filaminana sy fampandrosoana ho an’ny Vahoaka Malagasy rehetra no teny filamatra hijoroany.

Aoka isika ho tony ary hiatrika ny fifidianana am-pilaminana noho ny tombotsoa ambony ny Firenentsika.

MANOHITRA NY HERISETRA ATAO AMIN’NY VAHOAKA AHO!

Marc Ravalomanana