Mahatsinjony – 28 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitra ataoko na dia alahady aza androany, nanazava ny fanomezan-toky “manifesto” tamin’ireo mponina teto Mahatsinjony, namelabelatra ny MAP 2 sy ny fandaharan’asa ao anatiny.
Naseho tamin’izy ireo ihany koa ilay kitapo sy fitaovam-pianarana ary ilay solosaina hozaraina ho an’ireo mpianatra Malagasy rehefa lany ho filoham-pirenena i Dada.

#FIDIO_DADA_25