Mahasoabe – 27 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Dada ihany ity e e e !

Manina ahy ianareo? izaho koa manina anareo e !

Asehoko eto Mahasoabe ilay kitapo izay hozaraina ny zanantsika hianatra na « kits » izay efa misy fitaovana ao anatiny.

Tsy maintsy jerena ireo ankizy ireo, ireo no laharam-pahamehana ho an’I dada mba hanana firenena vanona isika. Raha vao vita ny fifidiana dia ny ankizy no jerena voalohany.

Hojerentsika ihany koa ny resaka fandriam-pahalemana, omena fitaovana ny mpitandro filaminana.
Hapetraka ny fitsarana tsy mitanila.
Hiantohana ny fitsaboana ny vahoaka.
Hokarakaraina ny mpamboly sy mpiompy ary omena masomboly sy zezika.
Isan’ny fanamby sy fanomezan-toky voasoratra ato anatin’ny Manifesto izany.

Mankasitraka e!
#FIDIO_DADA_25