Faritra Sofia, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Boeny, Betsiboka, Analamanga – Manangasanga ny fandresen’i Dada N°25

Mpanangana fa tsy mpandrava - 25 - Marc Ravalomanana

Isambilo

Faritra maromaro eto amin’ny Nosy indray no voatsidiky ny kandidà Marc Ravalomanana N°25 omaly sy afak’omaly dia ny faritra Sofia, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Boeny, Sofia, Analamanga. Ankoatra ireo renivohitry ny faritra, nisy ny fitsidihan’i Dada ireo kaominina sy tanàna madinidinika amin’ireo tanàna ireo. Tsapa nandritra ireo fitsidihana ireo fa efa manangasanga ny fandresen’i Dada N°25 amin’ny fifidianana ny 7 novambra ho avy izao, satria mifampatoky tanteraka i Dada sy ireo olona marobe rehetra nihaino azy nandritra ireo fitsidihana ireo. Ny « Manifesto » no hany vahaolana amin’izao loza mihatra izao, herinandro manaporofo  ny  fitiavana sy finiavan’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, ny hihaona sy handresy lahatra ny mpiray tanindrazana hifidy azy tamin’ity herinandro ity. Raha tany Atsimo izy tamin’ny fiandohan’ny herinandro dia tany Atsinanana sy Analanjorofo ary Alaotra Mangoro izy ny Talata sy Alarobia  teo. Raha ampahatsiahivina dia tao Andilamena no namaranany ny tao Alaotra Mangoro.

Teboka telo no nasiany resaka tamin’izany, ka anisan’izany ny tsy fisian’ny fahafahana eo amin’ny fitenenana izay  sakana eo amin’ny fifandraisana. Ny faharoa dia ny faharatsian’ny làlana, ka sahirana ireo  tompon’andraikitra avy any Ambatondrazaka raha mandeha mitsidika an’Andilamena. Ary ny  farany dia ny tsy fandriampahalemana. “Ny  tena  anton’ity  toe-draharaha  ity”,  hoy  ny  kandidà Ravalomanana Marc,  “dia  ny fakana an-keriny ny fitondrana tamin’ny 2009  satria nomena  fitaovam-piadiana ireo mpanongana dia tsy naveriny ireny ary nampanofaina izy ireny”. Tsy mety raha mihemotra ny fifidianana.

Tany andrefan’ny Nosy koa izy, tao Mahajanga, Marovay, Ambato Boeny, Madirovalo, Mahazomà, Bevilany ary Maevatanana. Ny anton’ny tsy  fananan’asa no tena nasiany resaka  tao Mahajanga ka noho ny tsy fihodinan’ny orinasa nitsangana teo aloha sy ny tsy fananan’ny te-hanangana orinasa renivola (fonds) ary ny tsy fahitàna mpiara-miombon’antoka (partenaire) izany. Momba ny fifidianana dia efa mamatsy vola ny Frantsay sy Norveziana amin’ny alàlan’ny SACEM, hoy ny kandidà Marc  Ravalomanana ka raha tsy tanteraka amin’ny daty voatondro ny fifidianana dia tsy hamatsy vola intsony ny avy any ivelany, ary hihemotra telo volana, iray taona, dimy  taona toy ny tetezamita indray izany. Tao Marovoay kosa dia ny fanamboaran-dàlana sy tetezana ary ny famerenana ny fanapariahana sy fitsinjaram-pahefana  tena izy no namafisiny. Raha  fanapariahana sy fitsinjaram-pahefana (déconcentration et décentralisation) dia azo ampahatsiahivina fa nisy famatsiam-bola avy amin’ny PNUD sy UNICEF ny taona 2006 sy 2007, ka minisitera fito no  nanombohana ny fanadihadiana sy nametrahana tetikasa hanatanterahana izany. Tao Madirovalo dia nanome tsodrano sy nampahatsiahy  ireo  zava-bitan’ny  kandidà Marc  Ravalomanana  ny  ray aman-dreny tao an-tanàna, ka hiverina eo amin’ny fitondrana indray izy. Ny kandidà laharana  faha-25 kosa dia nanamafy ny  tokony hikajiana ny soatoavina,  haverina  ny  fitsaboana  ary  omena  sakafo  avokoa  ny vahoaka. Hanangana orinasa madinika sy salantsalany amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ny GIZ Alemà isika hoy izy. Mafana dia mafana tokoa ny eto  Maevatanàna, hoy ny kandidà Ravalomanana Marc, na eo amin’ny toetrandro na eo  amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hafatra ho an’ny mpitandro ny filaminana: ho an’ny Tanindrazana no teny fanevan’ny mpitandro ny filaminana koa tsy maintsy miaro ny olona sy ny fananany izy ireo ary homena fitaovana hoentiny  manatanteraka  izany. Hatsangana ihany koa ny fitsarana tena mitsara marina. Nomarihan’i  Dada fa tsy nisy  “kidnaping” tamin’ny androny ary ataon’ny olon-dratsy fitadiavam-bola izy io amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 2015 no nitrangan’ity toe-draharaha ity tany Toamasina ary ankizy mianadahy, zanaka mpandraharaha izy ireo, ary niafara tamin’ny famoizan’ain’ilay ankizy vavy. Tao Mahazomà sy Bevilany dia fampianarana, ny fahasalamana sy ny  fananganana fotodrafitrasa ary ny famenoana ny biletà tokana no nifantohan’ny  fanentanana nataon’ny  kandidà Ravalomanana Marc. Satria malaza amin’ny fambolena voatabia ny ao Ambato Boeny dia nanome toky izy fa hanangana orinasa hanodinana ny vokatra satria ilaina miasa ny tanora.

Misongadina hatrany ny kandidà laharana faha-25, Ravalomanana Marc, satria  tsy mionona  mitety  ireo  tanàn-dehibe  izy  fa  tonga hatrany amin’ireo tanàna madinika koa.