Ambinanindrano – 27 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Fohy dia fohy ny fotoana nihaonana taminareo teto Ambinanindrano. Fidio I dada amin’ny 07 novambra ary tena I dada ity fa tsy mpisolo toerana an !

Rehefa fidianareo I dada dia ho amboarina indray ny lalana, haverina ny fandriampahalemana, hotsaboina ny olona tsy salama any amin’ny hopitaly, hampianarina ny kilonga ary hozaraina fitaovam-pianarana ny ankizy rehetra toy ity kitapo asehoko ity, hampitomboina ny vola hiditra any am-paosinareo , hamporisihina ny mpandraharaha hanangana orinasa madinika sy salan-tsalany, fa izao, fidio ny laharana 25.

#FIDIO_DADA_25