Ambato (Ambohidratrimo) – 26 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Reko ny fitarainana, tsapako ny fitaintainana, hitako ny fahoriana mianjady aminareo. Izao no fanomezan-toky omeko :
“amboarina indray ny lalantsika” eran’ny Madagasikara. Hanangana indray foto-drafitr’asa isika izay isaky ny faritra mba hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ary hanamafisana ny firaisam-pirenena : lalana, fitaterana, angovo, fifandraisan-davitra, rano sy fidiovana, tohadrano, trano fonenana sy fotodrafitr’asa isan-karazany.
Hanangana orinasa mba hanana asa daholo ny tanora!

#FIDIO_MARC_RAVALOMANANA_25.