CUA vs. SAMVA – Nataon’ny A1- CUA momba ny resaka lalana (FER) sy ny fanalana fako

Hatramin’izao dia mbola tsy nisy ny vola nirotsaka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ho fikojana ny lalana avy amin’ny fitondrana foibe, na FER (Fond d’Entretien Routier), na zon’ny CUA aza ny tokony hahazoana izany ho fanamboarana ireo lalana eto Antananarivo renivohitra, hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, kolonely Emilien Ramboasalama, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety androany tolakandro tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

Nifantohan’izao tafa tamin’ny mpanao gazety nataony izao ny momba ny fanalana fako eto Antananarivo sy ny resaka lalana. Na tsy nahazo io FER io aza ny CUA hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna dia misy ny fiaraha-miasany amin’ny Colas amin’ny fanomezan’ity orinasa mpanao lalana ity fitaovana sy akora isan-karazany fanaovan-dalana, ka ny sampan-draharahan’ny asa vaventy ao amin’ny CUA ihany avy eo no manamboatra sy mikojakoja ny lalana eto Antananarivo.

Momba ny FER, misy ny fanamboaran-dalana ataon’ny fitondrana foibe fa izay mampetipety azy ireo ihany no ataony amin’izany. Ankoatra izany, anisan’ny manimba ny lalana eto Antananarivo ny fanasana fiarakodia eny amin’ny arabe, ho fisorohana izany, hisy ny fepetra ho raisin’ny kaominina, hampahafantarina mialoha anefa na izany aza ireny mpanasa fiarakodia an-dalambe ireny mialohan’ny hampiharana ny sazy amin’izay.

Momba ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra, namafisiny fa ny kaominina no manadio ny tanàna fa ny Samva, izay miankina amin’ny ministeran’ny rano, no tokony hanala ny fako amin’ireny dabam-pako lehibe iraisana ireny. Tsy araky ny Samva anefa ny fanalana ny fako ka dia manampy azy ireo amin’ny fanomezana kamiao hitatitra ny fako ny kaominina.

Momba ity fahadiovan’ny tanàna ity, nanambara ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna kolonely Emilien Ramboasalama fa andraikitry ny rehetra io, ka tokony hitandro izay fahadiovana izay ny rehetra eny an-dalambe, satria rehefa tsy mandoto dia efa manadio, ary tokony harahina koa ny ora fanariana fako eny amin’ny dabam-pako lehibe iraisana ireny dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina no tokony ho fanariana ny fako izay.

(CUA)