Ambatoboeny – 24 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Ao anatin’ny fanaovana fampielezan-kevitra isika izao. Manentana anareo aho hifidy ny laharana faha-25.
Mihetsika tsara ny mpitarika eto, vory maro ianareo.
Misaotra betsaka ry vahoakan’ Ambatoboeny e !

Mbola betsaka ny toerana hotetezinay, mbola maro no alehanay. Ny paik’ady entintsika amin’ity fifidianana ity dia ny « manifesto » izay midika fanomezan-toky. Manome toky anareo aho fa ho azontsika ny 07 novambra dia hotanterahiko io.
Ndaniana fotoana maro, nandaniana ron-doha, na ny manam-pahaizana teto an-toerana na tany ivelany dia niasa nandrafitra ity manifesto ity ary efa nahitana famatsiam-bola hanatanterahana ny asa. Toy izao no hita ao :
Amboarintsika indray ny lalana, haverina ny fandriam-pahalemana. Hitako fa mijaly ianareo mitaintaina lava amin’ny tsy fahandriam-pahalemana. Hiaro ny olona sy ny fananany no tanjon’i dada. Hapetraka ny fitsarana mijoro amin’ny fahamarina, havaozina ny fitaovan’ny mpitandro ny mpitandro filaminana. Rehefa tonga i dada dia tsy hisy intsony ny fitsarana mitanila.
Hiantohana ny fikarakarana ny fahasalamana, omena fitaovana ny hopitaly toy ny CSB II, omena kits ireo vehivavy miteraka, tsaboina tsara ny ankizy latsaky ny 5 taona.
Ianareo mpivarotra voatabia be dia be eto Ambatoboeny dia hananganana orinasa manodina ny vokatra. Omena asa ny tanora, asondrotra ny fidirambolan’ny olona(…)

#Rehefa tonga ny 07 novambra dia ny laharana 25 fidianareo.
#FIDIO_25