18:30 > Boriboritany faha-4 (CUA) Nizara sakafo ho an’ny olona sahirana miisa 300 teo

Olona sahirana miisa 300 indray no nisitraka ny fanomezan-tsakafo maimaimpoana teny amin’ny Fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, izay nokarakarain’ny boriboritany faha-IV, ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ka ny sampan-draharahan’ny fiahiana ny Fokontany no nandray andraikitra feno tamin’izany.

Vary amin’anana miampy laoka no natolotra ireo mponina izay sahirana teny an-toerana. Tonga nanatrika izany teny an-toerana, nisolotena ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravaloanana, ny mpanolotsaina ny tanàna izay voafidy teny amin’iny boriboritany faha-IV iny Andriamatoa Ralaimoria Ezekiela.

Ny fitsinjovana ny sahirana ara-pivelomana toy izao hoy izy dia ao anatin’ny toromarika nomen’ny ben’ny tanàna. Ny ezaka dia mbola ho tohizana hatrany manerana ireo Fokontany izay mandrafitra ny boriboritany faha-IV.

(CUA)