Tontolo iainana – Hotsaraina any Toliara anio ireo mpandraharaha sokatra antsokosoko

Aly

Hotsaraina anio, any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Toliara ny raharaha momba ireo mpandraharaha sokatra antsokosoko, na mpanondrana antsokosoko sokatra, tratra tany Toliara ny 9 aprily lasa teo. Sokatra mahatratra 10 000 mahery no sarona tany amin’ireo olon-dratsy ireo tamin’io fotoana io, ka nitanana azy ireo vonjy maika am-ponja, ary izao ho tanterahana anio izao ny fitsarana azy ireo. Ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana: biby sy zava-maniry tsy misy hafa-tsy eto Madagasikara dia ny WWF (World Wildlife Fund), ny Durrell, ny Turtle Survival Alliance (TSA), noho izao fandringanana ny harem-pirenena arovana izao dia miangavy amin’ireo tompon’andraikitra tsy hamela ho vitavita foana izao raharaha izao, fa hanafay faran’izay mafy ireo mpanondrana antsokosoko sokatra: harem-pirenena arovana izao.