Sivy taona lasa izay, ranomaso ary alahelo. Izao kosa izahay mitraka ary vonon-kiady, dia hibata ny fandresena!

Ianao no mitantana, ianao no manoro hevitra anay mandrakariva.
Koa hiaraka hiatrika izany fifaninana izany izahay. Dia manantena fa hibata fandresena ary manantena fa hiara-dia aminay mandrakariva ianao ka miandany aminay.

Ny toriteny izay henonay teo dia milaza hoe sahia. Sahy izahay !

Ny toriteny teo dia milaza fa miandany aminay ianao, aty amin’ny camp-nay ry Tompo o, ary izahay vonona hanaraka tsara izay sitrakao mba hijoroana amin’ny fahamarinana sy fahamasinana, hamerenanay indray  ny firenenay amin’ny ara-dalàna.

Sivy taona lasa izay, ranomaso ary alahelo. Izao kosa izahay mitraka ary vonon-kiady, dia hibata ny fandresena.