Fifidianana Filohampirenena – Serge Zafimahova, miara-dia amin’i Dada N°25

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny trano fonenany, teny Faravohitra omaly maraina ny kandidà N°25 Marc Ravalomanana, mialohan’ny fampielezan-kevitra nataony tany Manjakandriana, Anosibe An’Ala, Marolambo, Vatomandry, Mahanoro,sns… amin’ny faritra Atsinanana iny.

Tamin’ny fotoana omaly io no nanambaran’i Dada fa vita teo ny maha-filohan’ny komitin’ny jobily faha-50 taonan’ny fiangonana FJKM azy sy ny faha-200 taona nidiran’ny LMS teto Madagasikara, ifantoka tanteraka amin’ny politika sy ny fifidianana amin’izay aho hoy Dada ary tamin’izany no nanolorany tamin’ny mpanao gazety ireo mpiara-miasa aminy akaiky amin’izay resaka fifidianana izay.

Ny talen’ny fampielezan-kevitra dia Charles Ranavela sy Rabenja Tsehenoarisoa ; ny mpandrindra ankapobeny ny fampielezan-kevitra dia Serge Zafimahova ; ny filohan’ny KMMR : Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana dia Constant Raveloson ; ireo ao amin’ny komity mpandrindra dia : Donnat Andriamahefamparany, Jaona Ravaloson, Jimmy Ramiandrisoa, Kolonely Mamihanitra Andriamanana, Aurélien Mamporey, Patrick Ramiaramanana. Ny filohan’ny komity manohana ny fampandrosoana sy ny fahamarinana (CSDE) : kolonely Eugène Claude Josoa.

Arak’izany dia miara-dia amin’i Dada N°25 i Serge Zafimahova, olona anisan’ny manana ny maha-izy azy amin’izao fotoana, teknisiana, zanaky ny Repoblika voalohany ary tao amin’ny ankolafy Zafy Albert ihany koa. Tombony lehibe ho an’ny kandidà laharana faha-25 izao fiarahany amin’ny kandidà Marc Ravalomanana izao.

Fa mahakasika an’i Dada ihany, mizotra mankany amin’ny fandresena izy raha ny zava-nitranga teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ny sabotsy teo no jerena. Feno hipoka tanteraka ity kianja ity, tsy nahasakana ny olona tsy nihaona taminy ny orana nirotsaka. Fanamafisana ny safidy « 25 » sisa ny 7 novambra raha iny nitranga teny Ambohijatovo iny. Vonona  hiaraka hanangana, hampandroso,  hamerina  ny  hasin’ny  firenena miaraka amin’ny  kandida  laharana  faha  25,  Marc  Ravalomanana  ny  vahoaka  eto Antananarivo.  Noporofoin’izy  ireo  izany  ny  sabotsy  lasa  teo  tetsy  Ambohijatovo iny, nandritra  ny  fahatongavany  maro  nanotrona  ny  kandida  faha- 25.  Vahoaka  resy lahatra amin’ny programan’asa MAP 2 no nameno ny kianjan’ny demokrasia izay feno hipoka.

Novelabelarin’ny  kandida  Marc  Ravalomanana  nandritra  ny  fotoana  nitenenany  io Madagasikara am-perin’asa faharoa io, izay iompanan’ny fandaharan’asany mandritra ny  fe-potoana  iasany. « Laharam-pahamehana  ho  ahy  ny  famerenana  amin’ny laoniny  ny  fandriampahalemana,  ny  fampianarana  ary  indrindra  indrindra  ny fanomezana  ny  sakafo  ho  an’ny  vahoaka malagasy. Mahantra  loatra  ny mponina amin’izao. Ny ankizy  tsy misakafo ara-dalàna, hany ka  tsy misy  fitomboana na ara-tsaina na ara-batana », hoy ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana.

Hita soritra  teny amin’ireo vahoaka  tonga maro  teny Ambohijatovo ny  fanantenana. Liana izy ireo nihaino ny lahateny famelabelarana ilay programan’asa izany hany azo antoka fa hitondra ny tena fampandrosoana eto amintsika. Nohararaotin’ny  kandida  Marc  Ravalomanana  teto  ny  nampahafantatra  am-pahibemaso ny vahiny manam-pahazaina manokana momba ny tsy fanjarian-tsakafo, izay  hiaraka  hisalahy  aminy  amin’ny  famahana  io  olana  eto  amintsika  io.

Raha  ny tarehimarika  dia Madagasikara  no  firenena  faha-4 manana  taha  ambony  indrindra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nihazo  ny  faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny  kandida  faha  25  taorian’ity fihaoanana  nafana  teny  Ambohijatovo  ity.  Hetsika  izay  hitohy  hatrany  mandra-pahatongan’ny  faradoboka  izay  ho  tontosaina  eny Mahamasina  ny  3  novambra  ho avy izao.