Faravohitra – kandidà 25 – Marc Ravalomanana – Samy zanaky ny mpanefy eto

… amin’ny fomba ofisialy izao ireo ekipa izay notendreko hanao ny campagne, ary ampahafantarina ny olona rehetra ireo izay hiara-dia, na ireo hafa ihany koa.

Ny antony mahatonga ny hoe nahoana no androany dia satria omaly teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina no famaranana ilay jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taonan’ny nidiran’ny LMS. Izaho no filohan’io komity io. Tsy mety ny mampifangaro azy amin’ny asan’ny fiangonana. Dia novitaiko mihitsy aloha ny andraikitra izao notanako hatramin’izay. Vita omaly ilay izy.

Dia mahafaly aho androany ny mampahafantatra amin’ny fomba ofisialy ireto ekipa ireto. Efa niasa teo ihany izy ireo fa androany izy vao ampahafantariko anareo tanteraka hoe ahoana ny firafitry ny ireo mpanao fampielezan-kevitra, ireo tompon’andraikitra voalohany indrindra.

Fotoana lehibe ampahafantarina ny olona satria ao anaty ny praopagandy isika izao. Ary tsara ny mahafantatra hoe iza no ao ary rehefa avy eo izy hiresadresaka aminareo. Ianareo koa fantatro fa manana fanontaniana ho apetraka. Izay no antony niantsoako anareo androany. Koa dia miarahaba anareo aho no sady misaotra anareo tonga maro toy izao.

Faharoa, fantatrareo tsara fa ity fifidianana izay ho ataontsika ity dia kihon-dalana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny firenena satria hifidy filoham-pirenena hitarika ny firenena Malagasy. Manana andraikitra lehibe ny tsirairay avy eto Madagasikara. Tsy maintsy ho jerena ny ahasoa sy hamerenana indray ny hasin’izany mpifidy izany.

Vonona izahay amin’ny asa fandresen-dahatra. Nandeha tamin’ireo faritra aho ary efa eo amin’ny 54 ny toerana notsidihina eran’i Madagasikara. Ary manantena aho fa mbola hizotra soa aman-tsara hitohy izany ary hantenaina fa ho tanteraka soa aman-tsara ny fifidianana amin’ny 7 novambra satria efa ela dia ela no niandrasan’ny vahoaka an’io. Hiaraha-mahita fa sahirana ny vahoaka Malagasy eo amin’ny fiainana andavanandro.

Mahafaly anay eto milaza fa hiasa hiaraka izahay:
– Talen’ny fampielezankevitra: (Tsehenoarisoa) Rabenja
– Mpandrindra ankapobeny: Serge Zafimahova
– Filohan’ny KMMR (Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana): Constant Raveloson
– Mpiandraikitra misahana ny fifandraisana amin’ny mpitandro filaminana: Kolonely (Eugène  Claude) Josoa
– Mpiandraikitra misahana ny fifandraisana amin’ny vahiny: Jimmy (Ramiandrasoa)
– Mpiandraikitra misahana ny faritra Atsimo: Aurélien (Mamporey)

Fotoana hisian’ny fiaraha-miasa izao.

Fanontaniana: Mandeha ny feo fa tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana ianao. Ahoana ny amin’izay?
Ny kandidà Marc Ravalomanana, laharana faha-25 dia manaja tanteraka ny lalàna sy lalam-panorenana. Ny lalam-panorena dia milaza fa tapitra ny fe-potoan’ny mpitondra ary raha vao tapitra io dia tsy maintsy misy ny fifidianana. Nomena ny CENI ny andraikitra mamoaka ny daty. Manantena aho fa samy hanaja izay daholo ny rehetra. Fa izaho dia vonona aho hiatrika ny fifidianana.

Fanontaniana: Ianao dia anisan’ny fantatra fa ho tafiditra amin’ny fihodinana fahareo ianao, misokatra amin’ny rehetra ve ianao amin’io?
Raha hisy!.. Tena misokatra mihitsy aho. Tsy izaho no tokony ho jerena fa ny tombon-tsoan’ny firenentsika. In-telo aho izao no nihaona tamin’ireo mpamatsy volan’ny FMI sy ny Banque Mondiale. Ka ny problème-n’i Madagasikara hoy izy dia mizarazara be ny firenena, ny any an-tokantrano, ny any amin’ny fiangonana, izay toerana aleha rehetra, vokatr’ilay zava-nitranga tamin’ny taona 2009. Dia izay no mahatonga an’ilay doute ny filazany azy. Satria tsy vita ny mametraka ilay autorité hampiray.

Fanontaniana: Nisy resaka nandeha omaly fa hametra-pialàna miaraka ny mpikambana amin’ny governemanta TIM sy HVM?
Tsy marina izany. Omaly aho teny Mahamasina, nihaona tamin’ny praiminisitra, ny filoha par interim, ny filohan’ny fiangonana roa lahy, tsy nisy nieritreritra an’izany.

Fanontaniana: Nisy ny fihaonan’ny kandidà rehetra teny Nanisana. Tsy tonga teny ianao, inona ny antony?
Nitety faritra aho ary alina be izahay vao tonga. Lavitra be ny dianay. Niala tany Manakara, nahazo tany Faranfana, Vangaindrano, Antanambao Manapotsy, Moramanga…

Fanontaniana: Ahoana no fahitanao ny hoe averina fanokafana indray ny lisi-pifidianana?
Tsy mifanaraka amin’ny constitution izay. Roa herinandro sisa dia tonga ilay izy. Responsabilité-n’ny CENI io. Izaho koa tena mahita fa misy ny lesoka sy tsy tomombana ao amin’ny asan’ny CENI. Izaho mandeha ireny dia mahita fa ao anaty ankohonana raha dimy izy dia olona roa na telo no voasoratra. Nanamarina izany ny OIF nanamarina sy nilaza ny heviny fa misy ihany ny doublon fa efa io izany aloha. Atrehana izay fifidianana ho avy eo.

Fanontaniana: Vonona hanaiky izay valiny eo ve ianao raha tsy tadifitra ilay premier tour?
Ndryyy!… Rehefa handeha ny fifidiana dia mba misy fetrany ihany ity azo leferina sy ekena. Misy ny atao hoe mihoatra ny fefy. Izay no nandefasana ireo observateur ireo hanamarina sy handinika. Fa io fifidiana io dia iantohan’ny avy any ivelany daholo ny ankamaroany. Kely fotsiny no iantohan’ny fitondrana Malagasy fa ny ankamaroany dia amin’ilay Basket Fund… Androany hariva izao amin’ny telo dia hivory miaraka amin’ny ny Communauté internationale, miaraka amin’ny mpamatsy vola. Mino aho fa hahita vaha-olana amin’izany ny CENI… Aleo re isika hieritreritra zavatra positif isika. Raha ianareo no mahita ny fahorian’ny vahoaka izany, dia tena lasa eritreritra aho. Misy ny tena hoe tsy mihinan-kanina. Sady amin’izay ankizy. Iray amin’ny roa no tsy mihinana. Tiako ho zaraina aminareo izany. Mila mihetsika haingana dia haingana… Fa izao koa, tonga tany amin’ny faritra Androy iny dia avy ny orana, dia hoy ny olona hoe olon-janahary io, dia mba miresaha aminy hisy orana koa amin’ity herinandro ity… Dia hoy aho hoe a a a, tsy afaka ampiasaina amin’izany aho fa mivavaka aho… Rehefa avy ny orana dia maitso mahafinaritra be ilay tany. Fa mino aho fa hain’Andriamanitra foana ny mahasoa antsika.

[…]

Fanontaniana: Miteraka resabe ny famatsiam-bolan’ny kandidà ao anaty fampielezan-kevitra. Avy aiza ny famatsiam-bolan’ny kandidà Marc Ravalomanana?
Tsara izany fanontaniana izany. Satria noheverin’ny sasany fa rehefa manana hélicoptère aho na poster na sonorisation dia misy famatsiam-bola be. Tsoriko aminareo tsara fa efa sivy taona no niandrasana ity fifidianana ity, dia mba haka tsara ny fitondrana amin’ny fomba demokratika. Dia te hiteny aminareo aho fa momba an’i Marc Ravalomanana dia afaka mijery tsara ny Samifin na ny BIANCO momba ny famatsiam-bola nentina hanaovana an’ity, fa voalamina tsara mihitsy hoe. Ohatra ny poster ry zareo avy any Washington dia nilaza fa izahay no hiantoka ny Manifesto. Ao ny avy any La Réunion. Nanao antso aho tany Antsirabe, dia samy manao izay azony atao. Vao aninkeo maraina indray izao nahita nanao an’ilay izy. Dia ireny no ataon-dry zareo hoe fanampiana. Ao ny fiomanana. Ireny hélicoptère dia tsy maintsy natao ny négociation. Dia mba ataovy aloha izay hahafahana manampy satria tsy ho vitanay taomaobilina na an-tongotra io fa tsy maintsy mila hélicoptère. Izaho moa nipetraka tany Afrika Atsimo ary compagnie efa niara-niasa tamiko hatramin’ny 2009. Dia misy hélicoptère roa eo. Amin’ny campange rehefa hainao tsara ny mi-rationaliser an’ilay izy dia mizotra. Inona no ilaina? Poster, kérosène, indemnités dia mizotra ilay izy… Ny tee-shirt ohatra dia ny mpitarika ihany no omena aloha fa tsy manana an’lilay tee-shirt be dia be ilay atsipy ery ambony ery.

Fanontaniana: Mitentina ohatrinona eo ny budget ampiasainareo?
Mbola tsy vita ilay izy satria ny anay arakaraky ny zava-misy no anaovana azy. Ohatra ilay Manifesto iny. Iny no tena praograman’asa ho atao. Nandritry ny dimy taona eo no nanamboarana an’iny tamin’izaho tafaverina teto. Tamin’ny 14 Oktobra 2014, nalefan-dry zareo tary 72 jours. Nieritreritra aho dia nanoratra aho. Dia iny Manifesto iny dia nataoko ho fanomezan-toky ny vahoaka Malagasy raha hanala azy amin’ny fahasahiranana aho. Natao teny anglisy, frantsay sy malagasy. Zava-dehibe ity Manifesto ity. Ireto no mahamay azy. Amin’ity ianao mijery dia inona no tena maika voaloahany. Amboarina indray ny lalana… dia alefa indray ny fandriampahalemanana… dia sakafo… dia ny fitsaboana… dia mampianatra… Nentina tany Washington ity, niaraka tamin’ny Banque Mondiale, nentina tany amin’ny Union Européenne. Ny an’ny Banque Mondiale dia ilay tontolo iaianana, mampitombo ny fidiram-bola. Hoe ahoana no fampitomboana ny fahefa-mividy. Arenina aloha ny lanjam-bolantsika, dia amoraina daholo ny fananganana orinasa… Ny an’ny Union Européenne hiantoka ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanampariham-pahefana tena izy. Niaraka tamin’ny Allemand nanao an’ity. Tsy nataotao foana ity. Izay no mahatonga ahy hiteny hoe tsy nisy nanao an’ity. Ity tsy maintsy manana relations tsara. Ary ity miaraka amin’ilay MAP II. Miainga avy amin’ity no nanaovana ilay MAP. Alaina ilay vola tany amin’ny MAP I, dia transférer-na anaova an’ity. Dia tsy azo izany raha tsy eken’izy ireo ity… Ny an-dry zareo Allemand dia tokona, miaro ny tontolo iainana. Tonga dia misy 160 millions euros disponible eo…
Mametraka ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny mpitondra… Fametrahana fanjakana tan-dalàna, ady amin’ny kolikoly, fanomezana fahaleovan-tenan’ny fitsaràna, fiaraha-miasa amin’ny gazety sy ny haino aman-jery…
Azo amboarina haingana ity firenentsika ity. Izay no nahatonga ny hoe mpanangana fa tsy mpandrava… Misy manontany indray hoe koa ianao no nandrava ny provinces autonomes, satria nosoloiko ny décentralisation.

Fanontaniana: Afaka hazavaina ve ilay teran-tany vahiny miaraka manao fampielezan-kevitra miaraka aminao?
Gaspard, danois. Tany Bruxelles aho…dia niresaka tamin’ny tompon’andraikitra hoe ampio izahay amin’ny ara-tsakafo any Madagasikara. Tsy afaka hanampy anareo izahay, tonga aty dia mangataka vola fa tsy maintsy manome tatitra anay aloha. Firy ny isan’ny olona. Ilay rangahy iny expert nandeha tany Syrie, Afghanistan, Irak, Yemen, Kenya, Addis-Abeba mahalala manokana momba ny toetoetran’ny olona tsy ampy sakafo. Nentiko tany atsimo izy. Kivy. Faha-efatra eran-tany amin’ny malnutrition isika. Tena kivy izy. Tsy mpiasan’ny Nations Unies, Union Européenne na ny amerikanna. Hanao tatitra izy… Mifandray sy miara-miasa akaiky amin’ny PAM, FAO, Unicef… Hoatrany manofinofy miteny hoe hanome sakafo ny olona raha tsy misy olona manohana raha tsy misy firenena manampy antsika. Raha manao demande fotsiny hoe hangataka sakafo, mahamenatra. Dia izao no nataoko hoe mandritra ny fampielezan-kevitra aho araka ny noresahika taminareo taty dia nahita olona aho, expert, hiaraka amiko mandritra ny iray volana, handeha izy amin’ny herinandro. Izaho nanantena fa faritra atsimo no tena voa, hay ny sud-est no tena voa… Raha vao mivaoka ny rapport, tonga dia publier-na.

Fanontaniana: Raha mijery ilay bokinao teo aho dia tao miankina amin’ny ivelany daholo. Ilaina ve ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany?
Ilaina, tsy misalasala aho milaza fa ilaina. Nitondra ny firenena aho fito taona fa 87%-n’ny budget miasa eto Madagasikara dia avy any ivelany daholo. Ary izao angamba efa 90%. Tena ilaina. Ny Union Européenne nanao ny lalana teto Antananarivo nankany Diego, nanao an’i Sambava sy ny hafa. Ny vola omen’ny Union Européenne tsy mba hoe trosaina fa omena gratuit. Ary ny Union Européenne dia fitambaran’ny firenena nananjanaka ao anatiny.. Ny contributeur matanjaka indrindra 25 % dia ny allemand, dia ny frantsay, ny azy no be indrindra… Rehefa tonga ny fanafoanana ny trosa dia lasa indray isika miady hevitra. Ilaina… Raha misy ny milaza anareo hoe tsy ilaina aiza àry isika no hahita…

Fanontaniana: Hoatrany voatsikeran’ny Fandio ny kandidà Marc Ravalomanana. Nisy tsy fanarahan-dakàna tamin’ilay fampielezan-kevitra. Inona no fanazavana azanao entina momba izay? Tsy ianao mivantana no nanao azy fa ny mpanara-dia no nanao fiantsiana.
Sao dia mifamadika. Sao dia ilay manao fiantsiana no mandainga. Tany Anosy izao nisy tratra mihitsy. Dia tany Moramanga. Alaina ity zavatra ity dia rovitiny. Dia tany Betioky. Voa-identifer ry zalahy satria izahay nampiasa caméraman maromaro, dia mifamadika amin’izay teninao izay ilay izy. Ireo no tena manao hetraketraka aty. Mi-mobiliser anciens éléments. Tany Moramanga nisy. Tany Manakara koa. Azon-dry zareo, tonga dia nobatainy. Diso ny anao fa ny ahy no marina. Ry zareo no manao. Hitanay izao mihitsy tany Betioky. Izaho no nilaza hoe aleo aloha leferina amin’ity indray mandeha ity. Tsara ny fanontanianao amin’izay fantatry ny tompon’andraikitra. Fantatro ilay kandidà. Fa samy zanaky ny mpanefy eto. Tsy mihemotra amin’ireny izahay.