EDITO 23 Oktobra – Propagandy – Mitohy ihany na dia misy aza ny tetika hanemorana ny fifidianana

Andry Tsiavalona

Voasoratra ao anatin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika IV ny « laïcité de l’Etat” ka samy manana ny fomba andraisany sy ny androritany izany ny politisiana gasy. Raha ny marina dia tsy mirona amin’antokom-pivavahana iray ny fitondrana satria maro izy ireo eto Madagasikara ary samy manorina fiangonana sy manao fotoam-pivavahana malalaka tsy misy sakatsakana. Raha eo amin’izao fihatrehana ny fifidianana izao dia misy mpitondra fivavahana mihitsy nilatsaka kandidà ka tsy azo lazaina izany fa mampifangaro ny raharaham-pivavahana sy ny raharaham-panjakana izy mandritra ny fampielezan-kevitra.

Raha ny kandidà laharana faha-25, Ravalomanana Marc, dia nifanindry an-dàlana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny sehatra ara-pinoana sy ny fampielezan-kevitra. Ny voalohany dia amin’ny maha filohan’ny Komitin’ny fankalazana ny Jobily faha-50 taonan’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny faha-150 taonan’ny nidiran’ny LMS (London Missionary Society) teto Madagasikara azy. Nanatrika ireo hetsika famaranana ny fankalazana izy ka ny Fotoam-pivavahana fangataham-pitahiana ho an’ny Firenena tao amin’ny FJKM Andrainarivo no nanombohana izany ny Zoma 19 Okotobra 2018 hariva. Ny Asabotsy 20 Oktobra maraina dia fitokanana ny Sekoly Theolojika FJKM teny Mandrisoa Ivato izay Tsangambaton’ny Jaobily. Ny Alahady 21 Oktobra 2018 kosa dia Fotoam-pivavahana tao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina. Sady Mpanompon’Andriamanitra no Mpanompon’ny vahoaka Malagasy ny kandidà Ravalomanana Marc ka tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika tokoa araka ny Teny Fanevan’ny Jaobily (2Timoty1: 8a) satria amin’izay fotoana voahomana nanaovana fampielezan-kevitra dia tsy maintsy atomboka amin’ny fotoam-pivavahana izany. Ny Asabotsy 20 Oktobra tolakandro io ihany dia nihaona tamin’ny vahoakan’Antananarivo teo amin’ny Kianjan’Ambohijatovo izy ka tsapa sy hita tamin’izany fa tsy mbola maty ao amponina eto Iarivo ny fitiavana azy. Vahoaka aman’alin-kisa no tonga  ka na teo aza ny orana dia niharitra nihaino azy ihany. Misongadina isaky ny fihaonana moa ny fihiràna ny « Hira Faneva » arahin’ny fihetsika mirindra sy ny fiventesana ny teny filamatra « Mpanangana fa tsy Mpandrava Isika » ary ny votoatin’ny kabary dia ny hoe « haverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny Malagasy » eo amin’ny sehatra rehetra araka ny teboka folo voarakitra ao amin’ny « MANIFESTO ». Manam-pinoana ny kadidà laharana faha-25, Ravalomanana Marc, ary narahiny asa izany ka noporofoiny tamin’ny dingana lehibe nampisongadina an’i Madagasikara taty Afrika nandritra ny fito taona nitondrany (2002-2009). Raha ny finiavana sy ny fahavitrihany amin’izao fotoana izao dia mbola hahavita betsaka lavitra noho ny tamin’izany fotoana izany izy ato anatin’ny fotoana fohy.

Etsy an-kilany dia samy manohy ny fampielezan-kevitra ireo kandidà 36 mihatrik’ady mba hibata ny fandresena kanefa misy 26 amin’izy ireo nanatrika ny fihaonana tamin’ny CENI ny Zoma 19 Oktobra 2018 alina. Marihana fa tsy tonga nanatrika izany ny governemanta sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàpanorenana. Nandray fanapahan-kevitra anefa ireto kandidà ireto fa hanomana « conférence souveraine » amin’ity herinandro ity. Ny manitikitika ny saina dia manam-pahaizana amin’ny sehatra samy hafa izy ireo kanefa dia tsy mahatsapa fa tsy mitombona araka ny lalàna ary tsy ara-darariny sady tsy marina (non légitime) izany fanapahan-kevitra izany. Rafitra inona na iza amin’ireo andrim-panjakana na fikambanana no hery hanatanteraka (force exécutoire) izay fanapahan-kevitra ho raisina amin’izany fivoriana izany. Tsy azo hitokiana, angamba, ny CENI noho ny resaka lisim-pifidianana ka ho soilona CES. Tsy nahatanteraka ny andraikitra nomena azy koa, angamba, ny governemanta Ntsay satria hanangana governemanta « tetezamita » hiasa mandritra ny telo volana. Na izany na tsy izany dia heverina fa tsy zavatra hafa mihitsy no ao an-tsain’ireto kandidà ireto matoa roa herinandro mialohan’ny fifidianana vao mihetsika toy izao.

Na inona na inona mitranga dia mitombo ihany ny fikambanana sy vondron’olona manohana ny kandidà laharana faha-25, Ravalomanana Marc, ka anisan’izany ny SAMARITANA izay nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hampandany azy amin’ny fifidianana ny 7 Novambra 2018, ary manohy ny hetsika ihany koa ny mpanohana azy any amin’ny Faritra.