Alatsinainy Bakaro – 22 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Mankasitraka anareo eto Alatsinainy Bakaro tonga maro mihaino ahy. Tsy adinon’i dada mihitsy ianareo eto, na dia betsaka aza ny lalana mbola halehanay dia tsy nanaiky aho raha tsy mandalo eto aminareo. Hitako ny fitiavanareo an’i dada. Manome toky anareo aho fa hamerina indray ny fandriampahalemana, hamerina ny rafitra fitsaboana, hampitombo ny fidiram-bola, hanangana foto-drafitr’asa, hiantoka ny fitsinjarana sy fanampariaham-pahefana tena izy, hamerina ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny mpitondra, hiaro sy hanatsara ny tontolo iainana, hanome lanja ny soa-toavina sy ambom-po Malagasy, hanatsara ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka.

#FIDIO_MR_25