17:30 > Avaradrano Avaratra – Manjakandriana Avaratra – 23 Okt – Neny Lalao – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Neny tany Avaradrano tapany Avaratra sy Manjakandriana tapany Avaratra
Distrika 2 amin’ny faritra Analamanga dia Avaradrano tapany Avaratra sy Manjakandriana tapany Avaratra no voatsidik’i Neny Lalao Ravalomanana androany, nanao fampielezan-kevitra ho fampandresena an’i Dada laharana faha-25. Tanàna 10 amin’ireo distrika roa ireo no notsidihan’i Neny tamin’izany dia Ankadikely, Sabotsy Namehana, Antsofinondry, Anosiavaratra, Faravohitra Avaratra, Ambohimanga Rova, Ambohidrabiby, Talata Volonondry, izay samy ao amin’ny distrikan’Avaradrano; sy Andriampamaky ary Ankazondandy, izay samy ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tamin’ny 6 ora maraina dia efa nanomboka izany fampielezan-kevitra nataon’i Neny izany androany ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny fiafaran’ny tolakandro. Fitafana mivantana tamin’ny vahoaka, fizarana ilay Manifesto na dina sy fifanarahana amin’ny vahoaka Malagasy ataon’i Dada, izay tsy maintsy hotanterahany raha vao lany filoham-pirenena izy, ary famoriam-bahoaka no nataony tamin’izany. Fararanom-bahoaka avokoa izany rehetra izany. Niara-dia taminy tamin’izao fampielezan-kevitra izao ny depioten’Avaradrano Gerry Randriambolaina, sy ny mpandrindra ny fampielezan-kevitry ny kandidà nomerao 25 amin’ny faritra Analamanga, kolonely Faustin Andriambahoaka. Tantsaha i Dada, tantsaha ihany no afaka mamaha ny olan’ny tantsaha hoy i Neny Lalao Ravalomanana nandritra izany, niantso ny rehetra hifidy izy amin’ny 7 novambra ary hifidy ny kandidà Marc Ravalomanana nomerao 25, nampianatra ny rehetra amin’ny fampiasana ny bileta tokana koa i Neny.