Kianjan’Ambohijatovo – 20 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Faly tena faly aho, vory maro ianareo teto Ambohijatovo androany.
Hataoko ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana, amboarintsika izay simba ary hanamboatra lalana vaovao ihany koa isika, vitantsika izany : « amboarintsika indray ny lalana.
Fanamby sy fanomezan-toky ao anatin’ilay “manifesto” ihany koa dia atao mandry fahalemana ny vahoaka, ka na ny iray fotsiny aza no mitaraina dia harovana ny ainy sy ny fananany. Averintsika amin’ny tompony ny tany lasan’ireo mpanao kolikoly, averintsika ny hasin’ny fitsarana.
Tsy ataoko ambanin-javatra ihany koa ny hampisakafoanana ny vahoaka, hanome fitsaboana araka ny tokony hoy izy ny fitondrana tarihiko.
Mpanangana fatsy mpandrava isika !
FIDIO I DADA
Misaotra anareo tonga maro !

Alefa Dada a a

Livasoa

N’aiza n’aiza lalovan’ny kandida laharana faha-25 dia mangorompotsy avokoa. Teto Ambohijatovo androany, nifanitsa-kitro nymponin’Iarivo ary ny tanora no hita maro an’isa, izay jerena dia tanora avokoa, « vohitra zatovo » tokoa Ambohijatovo androany.
Horakoram-pifaliana no nandraisan’Antananarivo ny kandida Marc Ravalomanana, na dia avy aza ny orana tsy nampihemotra azy ireo izany.
« Laharam-pahamehana ho ahy ny fanamboarana ny lalana, amboarintsika izay simba fa hanamboatra lalana vaovao aho, vitantsika izany » hoy i dada : « amboarintsika indray ny lalana ».
Fanamby sy fanomezan-toky ao anatin’ilay “manifesto” ihany koa dia atao mandry fahalemana ny vahoaka, ka na ny iray fotsiny aza no mitaraina dia harovana ny ainy sy ny fananany hoy i dada. Averintsika amin’ny tompony ny tany lasan’ireo mpanao kolikoly, averintsika ny hasin’ny fitsarana hoy hatrany ny tenanany.
Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny hampisakafoanana ny vahoaka, hanome fitsaboana araka ny tokony hoy izy ny fitondrana tarihiko hoy Ramose.