11:30 – Ivato – Marc Ravalomanana – Mamaranana ny jobily roa sosona faha-50 taonan’ny FJKM sy faha-200 taona nidiran’ny LMS

Raha tsy Jehovah no manao ny trano , dia miasa foana ny mpanao azy . Lahateny nataon'ny filohan'ny komity faha 5O taona…

Publiée par Arp Helisoa sur Samedi 20 octobre 2018

Faranana eo Ivato anio Sabotsy 20 Oktobra sy rahampitso Alahady ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-2000 taona nidiran’ny London Misionery Society, tonga teto Madagasikara hitondra ny filazantsara.

Vavolombelon’izany ny trano lehibe tsangambato atao hitoeran’ny mpiomana ho mpitandrina, naorina eny amin’ny kolejy teolojika Ivato. Ho tokanana Ssabotsy amin’ny fomba ofisialy.

Fotoan-dehibe io sabotsy io izay mbola hifanentanan’ny mpino Fjkm sy ny foibe ary ny komitin’ny jôbily izay tarihin’ny filohany Marc Ravalomanana.