10:00 > Ilakaka – Maty ilay olona nodarohan’ny pôlisy tsy afaka hilaza ny marina

“Bavure Policière “:

ILAKAKA : Olona iray maty vokatrin´ny daroka mafy nahazo azy.

Maty ny hariva teo ilay olona nosamborin´ny polisy tao ilakaka ,izay nolazaina fa tratra nitazona fanafody gasy .«Nohon´ny daroka nahazo azy dia nentina namonjy fitsaboana taty sakaraha izy,saingy tsy avotra ny ainy .Tsy mbola natao famotorana ny havanay kanefa dia nanaovana herisetra tahak’izao.an Andriamanitra ny Aina fa nahoana no dia manao tahak’izao .mampalahelo raha olona hita fa tsy namono olona no anaovana fihetsika ohatr izao .efa malemy sy maratra izy no hitanay,ary nilaza taminay ny polisy ny amin’ny tsy tokony hidiran’olon kafa amin’izao raharaha izao .»toy izao ny zavatra nolazainy anay «aza mety rebireben´olona ianareo fa ho karakarainay ny razana raha sanatria ka tsy mahomby ny fitsaboana ,ary vonona izahay hiantoka ny lany rehetra»hoy ny fianakaviany
Tsy vao izao no nisy izany fanitsakitsahana ny zon´olombelona izany teto Madagasikara ,fa hiaraha mahalala ny zava nisy tany Antsakabary izay namoahan´ny “Amnesty international” fanambarana manokana .Inona ny heloka vitan ilay olona,no dia tsy maintsy nalatsaka ny ainy ,nohajaina ve ny lalàna fa tokony hatao famotorana ilay olona rehefa nosamborina,ka atolotra ny fitsarana,ary farany tena tratra nanao “infraction ” tokoa ve izy ,sao dia vono niniana natao ilay izy?
Nametraka ny ahiahiny ny fianakavian´ny maty,ary nilaza ny hitory eny amin´ny IGPN raha vao vita ny fandevenana……

(Fernand Cello)