SAMARITANA manohana ny kandidà n•25 Marc Ravalomanana

Manohana tsy misy fepetra  ary mapandany ny kandidà Marc Ravalomanana N°25 ny fikambanana  SAMARITANA, na « Sahy- Marina- Tia- Tanindrazana Azo Itokiana Nahavita ».

Nampahafantarina ny mpanao gazety omaly  antoandro io  tao amin’ny QG ny KMMR tetsy Bel’Air Ampandrana ny fijoroan’ny fikambanana sy ny fanohanany ny laharana faha- 25 dia ny kandida Marc Ravalomanana . Vondron’olom-pirenena izy ireo ary efa miparitaka manerana ny Nosy. Mpiara-mitantana azy pasitera Randriamisata Roger, Maitre Eloi Ratefimahefa Mijoro ary Tahiana Razafinjoelina.

Fiaraha-mientan’ny olompirenena no mandrisika  ireo mpikambana hanao ny fanohanana ny kandida faha 25, tsy mifanitsaka, fa mifameno amin’ny antoko TIM sy ny KMMR ny asa hataon’izy ireo amin’izany ary tsy misy tambiny, na vola na koa toerana ny fanaovany izany fampandresena an’i Dada izany.

Misy azy avokoa ny faritra 22 eto Madagasikara.

Tsy natao hampizarazara ny hery manohana sy mampandany ny kandida N25 fa manentana sy miantso ireo mbola maniry handray anjara amin’ny fampandaniana azy ho filoha azy ka mbola tsy niditra ao anatin’ireo rafitra efa mijoro. Miantso sy manentana ny olom-pirenena izay resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny famerenana ny kandida Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondràna izahay, handray anjara mivantana amin’ny fampihelezan-kevitra ho fampandaniana azy.