Alakamisy Ambohimaha – 19 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Mahay ianareo eto Alakamisy Ambohimaha. Betsaka no tafavoaka manam-pahaizana ny tanora eto, tia fianarana. Tsy ataoko ambanin-javatra ny hoavinareo tanora, efa niarahana tamin’ireo manam-pahaizana eto an-toerana sy avy any ivelany ilay vina MAP2, havadika ho asa fampandrosoana avy hatrany ary mpahazo tombontsoa amin’izany ianareo. Teboka iray amin’izany ny famernana amin’ny laoniny ny tetik’asa fampianarana.
Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany.
Mpanangana fa tsy mpandrava isika.

#fidio_marc_ravalomanana_25