EDITO 18 Oktobra – Aza ampanofinofisina ny vahoaka ry Boaikely a !

Herinandro mahery izay no nisokafan’nyfampielezan-kevitra ho amin’ny fifidiananaizay ho filoham-pirenena ny 7 novambra ho avy izao. Samy manao izay ho afany nykandidà tsirairay mitety sy mandresy lahatraireo vahoaka mpifidy, ao ireo mbolamangingina, ao ireo tsy dia rototra loatra nyamin’izany fa mbola miady ny mbahampidirana ireo vahoaka Malagasy feno 18 taona  izay noverezin-jo satria efa nikatonatanteraka ny lisi-pifidianana ho amin’ityfifidianana izay ho filohampirenena ity. Ho an’ireo kandidà sasany indray dia efa saikaahitàna azy ireo ny faritra maro etoMadagasikara miaraka amin’ny fizarana tee-shirt, kasikety sy ny fanakaramana ireompanotrona, sns... Fa ny tena tiana ho resahinadia ny fanaovan’ny kandidà irayfampanantenana izay hita izao fa poakaty. Tsyiza no tiana ho tenenina eto fa ilaympanongam-panjakana  sy ny ekipany, ilayBoaikely ihany koa no ahafantaran’ny maroazy. Raha ny fantatra mantsy nandritra nyfampielezan-keviny tany Mahajanga sy nyfaritra avaratry ny Nosy iny dia nolazain’itykandida ity fa ho atao ohatran’ireny any am-pita ireny ny tanàna, hasiana hampiavaka azytoy ny any Miami Etazonia, sns, mbahahasarika mpizahantany. Hanangana tanànavaovao hono, hasiana ireny karazan-trano avobe ireny na “building” ireny hono ny tanàna, hanamboatra làlana 4 milahatra na 4 voies (2 mandroso, 2 miverina) hono. Dia tena hita izaofa fampanofisana ny vahoaka Malagasy. Diamipetraka ny fanontaniana manao hoe: volaavy aiza no hoeritreritin’ity mpanongam-panjakana ity hanaovana izany satria tsy hisympamatsy vola hanome vola amin’izanyeritreritra toa manofinofy izany mihitsy? Sa kosa hamidy ambongadiny amin’ireo vahinyindray i Madagasikara sy ny harena be aoaminy toy ny efa fanaon-dry zareo tamin’nytetezamita . Ny azo antoka aloha dia tsymaintsy hisy tambiny amin’ireo mpamatsyvola azy izao fampielezan-keviny  toa manaofafy kitrana ny vola etsy sy eroa izao, ka asakasak’izay mpifidy hifidy azy. Nyfanontaniana manaraka dia hoe tena izanyrehetra izany ve no mahamaika amin’izaofirenena Malagasy sy ny vahoaka latsaka anatyfahantrana tanteraka izao? Nyfandriampahalemana tsy misy intsonyvokatr’izany fahantrana izany, efa lasamifamono ny Malagasy, efa lasa mifampakaan-keriny dia takiana vola, efa tsy mifanajaintsony ny mpiara-monina sy ny mpianakavy,ny kolikoly mahazo vahana tanteraka sns,tena efa very tanteraka mihitsy ny soatoavinaMalagasy. Izany moa dia vokatry ny nataon’itympanongam-panjakana kandidà ity sy nynamany avokoa tamin’ny 2009. Ka noho izanyaza manaiky ampiesonin’ity Boaikely ity eoindray isika fa tsy vitan’ny miliara vitsy akoryno ahavitana ireo habobony ireo, ary tsy ho vitany mihitsy izany e. Menaka 12.500 fmg ny1 litatra nampanantenainy ny vahoaka aza tsyvitany ny nampidina azy nandritry ny 5 taona,koa zavatra tsy hisy ery no ampiesonanavahoaka eo indray. Toa tsy misy programamaty paika entina hanarenana syhampandrosoana ny firenena ny azy fa toazesta sy haingitraingitra no betsaka ny an’itykandidà ity, sa ahoana hoy isika?

Ny Valosoa