08:00 > AZA ADINONAO RASAOBAKAKA

Eny ho’aho Rasaobakaka, ry mihevitra ho jokera,
Sady toa mirehareha fa be mpitia sy be mpidera.
Dada anie no nojerena tamin’ireny ora ireny,
Dia nilefitra izahay satria ianao no notendreny!

Fa ny tao anatinay dia tena hafa ka fantaro:
Tena tsy ianao ilay hoe “mandresy lahatra ny maro”!
Fa dia mba ho fanajana izany hoe filoha mpitarika,
Dia nilefitra izahay ka dia nandray ny toromarika.

Fa ny marina dia ‘zao : tsy izy ianao Rasaobakaka.
(Maika loatra angamba i Dada ka dia tsy namakafaka),
Na sodokan’ireo maso zary toa midiridiry ,
Ka nanaiky moramora , tsy nanadihady firy !

Soa fa tsy voafidy anefa izato ianao Rasaobakaka,
Fa dia asa izay nanjo raha toa tafiditrao ny laka.
Eny fantatr’Andriamanitra ny olon-dratsy mpampisaraka,
Hay ny foza sy ny saoba , ireo no efa zatra miaraka !

            DADAN’i ZINA ( 14-10-18)