18:30 > Sabotsy 13 Okt 2018 – Moramanga – Neny mitondra ny tenin’ny kandida Marc Ravalomanana laharana 25

Isika efa resy lahatra tamin’ny asa nataony. Izy dia tia ny vahoaka malagasy.
Hoy ny ambetintenin’i Dada hoe: “Ny vahoaka  ny Malagasy aloha! Isika mianakavy dia hanarina an’i Madagasikara. Tsy vitako izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao.”
Hijery ny fandriam-pahalemena Dada ary hanamboatra ny lalantsika. Homena toky ianareo fa hamboly sy hiompy ary hijery izay mahasoa ny vahoaka malagasy, hitondra ny fampandrosoana rehetra. Ataontsika voky sakafo ny zanatsika ary hihiditra an-tsekoly daholo.
Ho jeren’i Dada manokana ny mpampianatra satria hiara-hitaiza ny zanatsika isika no hanorina firenena vanona.
Iza àry ilay ho tohanana? Marc Ravalomanana.
Firy ilay nomerao? 25!

Akon'ny dian'i Neny Lalao Ravalomanana tany Moramanga ny sabotsy teo .

Publiée par Arp Helisoa sur Lundi 15 octobre 2018