EDITO 13 Oktobra – Ahiana hisy sakoroka aorian’ny fifidianana

Betsaka ny zavatra ahian’ny vahoaka amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao. Ao aloha ny kandida mampiasa volabe tsy tambo isaina ary mizara amin’izay fikambanana, na olon-tsotra, na mpanao pôlitika, sns… ary mbola manamby olona ihany koa amin’ny fifidianana ho avy eo. Tsy vitan’izany, fa mbola mametraka delegen’ny kandida maro any amin’ny fokontany samihafa ihany koa. Tsy vitan’ny hoe betsaka fotsiny ny delegen’ny kandida fa mbola volabe ihany koa no omena azy ireny. Izay fikambanana, na tanora na reniny na zandry olona dia samy omena izay sahaza azy avokoa fa tsy asiana vidiny intsony ny safidim-bahoaka rehefa avy eo. Misy kandida mandany volabe am-polony miliara ary tsy mijery intsony izay vokany any fa aparitaka fotsiny izao,ka rehefa lany izy dia haverina aminy indray izany vola izany. Tsy vitan’izany, fa mbola misy olona tsy mahalala ny marina sy ny diso fa izay be vola miraraka no fidiany sy ekeny satria mahantra izy. Ho an’ireo efa zatra nandroba ny harem-pirenana indray dia tsy olana io fa efa mahazatra, ka na tsy lany aza dia efa zatra mpanao. Raha lany moa vao mainka tsara ho an’ny tsy mivaky loha amin’ny fijalian’ny vahoaka malagasy. Araraotin’ny kandida sasany izarana volakely amin’ny mpifidy izao fididianana izao satria io no hany mba hakàna ny fon’ny olona hifidy azy. Betsaka anefa no ho diso fanantenana satria misy olona tsy miraharaha vola fa rehefa tiany dia tiany, ary iny foana no arotsany rehefa tonga ny fifidianana fa ny volanao foana no lany eo. Ny artista moa dia matavy amin’ny fitenenana satria zara aza misy praopagandy hakana vola iainana ao anatin’ny fotoana maromaro. Dia ho hita eo ny tohiny fa raha izao no mitohy dia zavatra hafa no hitranga eto satria misy kandida ho diso fanantenana raha vao tsy lany ka na hanongam-panjakana indray, na hitady hevitra hafa hangalàna fahefana an-dalambe. Ny ampitso no hitsara izay kandida filoham-pirenena eto amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 7 novambra ho avy izao.