Bealanana – 11 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

11 10 2018 Bealanana

Publiée par Marc Ravalomanana sur Jeudi 11 octobre 2018

Faly tena faly aho tamin’ny fandraisanareo teto Bealanana. Nanazava ny momba ny « Manifesto » izay misy teboka 10 hanomezana toky ary havadika fandaharan’asa ho tanterahina amin’ny alàlan’ny MAP 2 rehefa tonga eo amin’ny fitondrana aho.
Araka izay hita tany amin’ny faritra rehetra nadalovana dia mampikaikaika ny Malagasy ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny lafiny rehetra, tsy misy andro sy alina intsony ny asan-jiolahy hany ka tsy afaka mamokatra ny vahoaka. Tsy maintsy homena fitaovana ny foloalindahy ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany sy hiaro ihany koa ny fiandrianam-pirenena. Noresahina ihany koa ny fitotongan’ny sosialim-bahoaka ka tsy zarizary sady lafo ny saram-pitsaboana. Mampalahelo ny mahita marary kanefa tsy manam-bola, indrindra fa ny vehivavy rehefa miteraka, noho izany dia tsy maintsy hatao manaraka ny teknolojia ny fitsaboana ary hiantohana ny fahasalaman’ny vahoaka. Anisan’ny olana goavana eto amin’ny Firenena ihany koa ny tsy fanjarian-tsakafo ka tsy maintsy hampiana ny tantsaha amin’ny fanomezana masom-boly sy zezika.
#FIDIOiDADA25