SADC – Raharaha sambo sinoa 330 – Rajao sy ny forongony, mpivarotra tanindraza sy mpampahantra – Ntsay, raiso ny andraikitrao!

Apportez votre soutien à la pétition – Madagascar: Faire révoquer l’accord de pêche signé avec la Chine
Au 1
2 oct: 15000 signatures obtenues

Tohin’ny raharaha fifanaovan-tsonia teo amin’ny fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny AMDP (Agence Malagasy de Développement Economique et de Protection des Entreprises) nosoloin’i Hugues Ratsiferana tena tany Pékin, Chine ny 5 septambra teo nandritra ny 7ème Forum FOCAC (Forum on China-Africa Cooperation), fifanarahana amin’ny fanomezana ny fari-dranomasin’i Madagasikara ho an’ny orinasa sinoa mandritra ny folo taona hitrandrahana ireo harena an-dranomasin’i Madagasikara.

Namoaka fanambarana ny vondron’ny SADC (South African Development Community), fanambarana izay miantso ny fanjakana Malagasy hanafoana ny fifanarahana ka handinika sy haka ny hevitr’ireo teknisiana mialoha ny andraisana fanapahan-kevitra mamatotra ny vahoaka Malagasy toy izao. Ambaran’ny SADC fa very asa ho ana mpanjono madinika maro ny firosoana amin’izany, porofon’izany hoy ny fanambaran’izy ireo ny zava-niseho tamin’ny faritra atsimon’ny Nosy izay nahitana sambo mpitrandraka miisa enina ka niteraka fahasarotana teo amin’ny mpanjono madinika. Raha irosoana ny fifanarahana ka hamela malalaka ireo sambo 330 hitrandraka eto Madagasikara, mpanjono madinika maherin’ny 500.000 no tandindomin-doza ny seha-pihariana fa ihany koa ho simba ny tontolo iainana toa ny onko na ny mangrove.

Ho sarotra amin’i Madagasikara ny hanafoana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hanohanana, ary ampihena ampahany amin’ny fahantrana mialoha ny taona 2025 hoy hatrany ny fanambarana navoakan’ny SADC raha miroso amin’izay fanomezana ny vahiny ny fari-dranomasina izay ny fanjakana Malagasy.

Efa nitranga ny toy izao tany Senegal tamin’ny fanomezan’ny fanjakana halalana sambo rosiana hitrandraka ny fari-dranomasin’izy ireo, saingy nanafoana izany tato aoriana noho ny fahitàny ireo voka-dratsy maro naterany ara-tontolo iainana sy ara-piaraha-monina.

Koa nahoana ny fanjakana Malagasy no minia mikipy hoy hatrany ny fanambaràna.

Vaha-olana aroson’izy ireo manoloana ity tranga ity ny fanafoanana ny fifanarahana, na ihany koa mihaino sy mifampidinika amin’ireo mpiantsehatra sy tekinisiana ary ny fiaraha-monim-pirenena mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra toy izao, ary hijery ireo olona mahery ny 500.000 izay tsy mivelona afa-tsy amin’ny fanjonoana.

Tsy ny fanomezana ny vahiny hanjakazaka amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara mandritra ny folo taona, hoy izy ireo no vaha-olana fa ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ato anaty ny folo taona manaraka. Amin’izay fotoana izay hampidi-bola hatramin’ny 10 milliards $ amerikana i Madagasikara, izay ambony lavitra noho ny fanomezana fahazahoan-dalana ho an’ny sambo sinoa na ny sambo vahiny hafa.

Arak’izany taorian’ny fikambanana fiarahamonim-pirenena ny firenena sy ny olom-pirenena marosy nanao fanambarana momba ity raharaha ity nivaoka tamin’ny fahanginana koa ny vondrona SADC. Ho an’ny mpanara-baovao, tsy famoronana orinasa sy famoronana asa no nataon’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery sy ny delegasiona niaraka taminy tany Sina ny fiandohan’ny Septambra teo fa fivarotana tanindrazana sy fampahantrana ny Malagasy, indrindra ireo izay mivelona amin’ny jono.

Andrasana manoloana izany ny fandraisan’andraikitra ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany manoloana ireo antso sy fanamelohana maro momba ity raharahana sambo sinoa miisa 330 ity.

(Kolo TV)